“Ilay hena baolina farany,” Namana, nôvambra 2025, 18–19.
Ilay hena baolina farany
“Tsy rariny izao! Tsy nisy olona nizara tamin’i Alex!
Tantara marina avy any Etazonia.
Nidina ny tohatra i Alex sady nisento mafy.
Nitraka avy tamin’ny bokiny i Neny. “Fa misy inona?”
“Tsy hisy olona hizara amiko!” Hoy i Alex. “Tsy tiako ny maha zaza eo afovoany ahy.” Nahazo hatrany ny zavatra tiany ireo rahalahin’i Alex. Tsy rariny tsotra izao izany.
“Inoako fa raha toa ka nangataka tamin-katsaram-panahy ianao dia ho nizara taminao ireo rahalahinao,” hoy i Neny.
Niketrona i Alex. “Nangataka tamin-katsaram-panahy aho!”
“Ahoana raha manandrana mametraka fameram-potoana ianao? Amin’izay samy hanana fotoana mitovy hilalaovana ianareo.”
“Nametraka fameram-potoana aho!” Hoy i Alex. “Saingy angamba aho hametraka fameram-potoana anankiroa mba ho tena azo antoka.” Nalainy avy teo an-databatry ny lakozia ilay fameram-potoana fanampiny ary nandeha niakatra ny tohatra izy. Nilalao kilalao tao amin’ny fahitalavitra i David zandriny lahy.
“Niteny i Neny fa mila mizara ianao,” hoy i Alex. Nataony maharitra dimy minitra ilay fameram-potoana. “Rehefa maneno izany dia anjarako indray.”
Ny ampitson’iny, rehefa samy te hilalao kilalao i Alex sy i Jake zokiny lahy, dia samy nandrindra ilay fameram-potoana ho 30 minitra avy izy ireo. Rehefa samy nilalao piozila i Davida sy i Jake dia samy nanisa isa mitovy ho an’ny tsirairay izy ireo. Ary rehefa samy te hihinana ny galety misy sôkôla farany i David sy i Alex dia nozarain’izy ireo misasaka tsara izany. Nanomboka nandeha ara-drariny ny zava-drehetra.
Saingy tonga amin’izay ny sakafo hariva …
Tamin’io alina io dia spaghetti sy hena baolina no sakafon’izy ireo! Nanomboka nanangona paty tao amin’ny loviany i Jake mialoha ny nandraisan’i Alex ny sotro.
“Hey, tsy rariny izao,” hoy i Alex. “Izaho koa mba noana!”
Napetrak’i Dada teo an-tsorony ny tanany iray. “Alex a! misy sakafo ampy ho an’ny rehetra ao.” Jereo fa homeko sakafo mitovy amin’ny azon’i Jake ianao.” Nadoatra paty tao amin’ny lovian’i Alex i Dada.
Rehefa avy nitsodrano ilay sakafo izy ireo dia nanomboka nihinina avokoa ny rehetra. Rehefa lanin’i Alex ny sakafony dia mbola noana ihany izy. Nojereny haingana ny tao anatin’ilay vilany teo afovoan’ny latabatra. Nisy hena baolina iray farany teo ambonin’ilay paty nivangongo. Nalainy tamin’ny sotro izany ka nataony tao anaty loviany.
“Tsy rariny izao!” Hoy i David. “Io no sisa farany.”
Nanondro ilay hena baolina tamin’ny sotro rovitra i Jake. “Za koa mila. Andao hozaraintsika io.”
“Hozaraina ve?” Hoy i Alex. “Ho antsika telo? Saingy kely loatra io.”
Eny hoy i Jake sy i David. “Izany no rariny.”
Nalain’i Jake ny lovian’i Alex ka nanomboka nizara tsara ilay hena baolina ho ampahany telo izy. Nojeren’i Alex ilay hena baolina lasa kely dia kely.
Nihomehy i Neny. “Hena baolina kely tsara tarehy ireo!.”
Nihomehy koa i Dada. “Tsy voatery ho araka ny rariny tanteraka foana anie,” hoy izy. “Angamba isika afaka miezaka ny ho tsaratsara kokoa amin’ny fizarana ny zavatra ananantsika fa tsy ny fizarana mitovy ny zava-drehetra.”
Nijery ireo hena baolina kely i Alex. Somary hafahafa ilay izy. Tena niasa saina tokoa momba ilay hena baolina ve izy? Angamba mety nila nianatra nizara bebe kokoa izy.
Ny ampitson’iny, rehefa samy naniry ny hilalao piozila i Jake sy i Alex dia nanapa-kevitra ny hanangana zavatra niaraka izy ireo. Rehefa tany ivelany i David sy i Jake dia navelan’i Alex nifandimby nitaingina ny bisikiletany izy ireo. Ary rehefa te-hilalao kilalao ao amin’ny fahitalavitra ny olona rehetra dia tsy nametraka fameram-potoana i Alex. Ny fizarana sy ny hatsaram-panahy raha ny marina dia tena nahafinaritra kokoa noho ny hoe manao ny rariny tanteraka.
Tamin’io alina io, rehefa samy naniry ny hahazo ny sisa ambiny tamin’ny sakafo hariva i Jake sy Alex, dia niteny tamin’i Jake i Alex fa afaka alainy izy rehetra.
“Misaotra!” Nanao pimaso i Jake. “Tena azonao antoka ve fa tsy te hizara an’io ho telo ianao?”
Nihomehy i David sy i Alex. “Tena tsy hizara mihitsy!”
Sary nataon’i Alyssa Petersen