“Fitsidihana an’i dadabe mpanjaka,” Namana, nôvambra 2025, 20–21.
Fitsidihana an’i dadabe mpanjaka
Nitantara tamin’i Gift ireo tantaran’ireo razambeny i Dadabe.
Tantara marina avy any Nigeria.
Niondrika teo amin’ny sisin’ilay lakana i Gift ary nijery tamim-pahagagana rehefa nikapoka ny sisiny ny rano. Niondrika nanakatra ireo onja izy, nikasoka moramora ny sandriny ireo piti-drano. Io no dia lavitra tiany indrindra. Teny an-dalana ho any an-tanàna kelin’i Dadabe izy sy ny fianakaviany, ka nony nandeha ny fotoana dia nanomboka nanakaiky kokoa ana tontolo dia sy malalaka kokoa noho ilay renivohitra izay nilaozany izy.
Efa zatra tokoa ny fiainana an-tanan-dehibe i Gift. Iray ao anatina olona an-tapitrisany izy. Indraindray dia nahafinaritra izany—izany hoe afaka ny miaina ny fiainany manokana, tsy misy olona miraharaha be loatra momba ny fitafy nosafidiany hanaovana na ny zavatra hataony. Saingy tao amin’ny tanànan’ny raibeny kosa dia tsy toy izany no nitranga. Niavaka i Gift tao. Izy dia zanaka mpanjaka—ilay zafikelina mpanjaka feno fahendrena iray.
Nijanona ilay lakana rehefa afaka adin’ny roa. Mbola niandry ny ampahany lava indrindra tamin’ilay dia: adin’ny enina amin’ny alalan’ny fiara fitateram-bahoaka. Fantany fa ho vizana izy, saingy tsy ho ela dia hiaraka amin’ny raibeny indray izy. Noho izany dia tsy mampaninona ny zava-drehetra.
Tena nitonton-tontona ny dia. Niezaka nandany ny fotoana tamin’ny fijerena ny endrik’ireo rahona izay tazany avy teo am-baravarankely i Gift ary nijery ilay tany tsara tarehy lalovany. Nanomboka nilentika ny masoandro rehefa nijanona ilay fiara fitateram-bahoaka. Ela ny ela! Dadabe! Nitsambikina avy tao anatin’ilay fiara fitateram-bahoaka i Gift ka nihazakazaka nankao an-trano tao amin’ilay tanàna.
Notadiaviny tao anatiny i Dadabe. Noteteziny ny tokontany anaty, izay fametrahan’ny reniny osy fony izy mbola kely. Nojereny ny tao amin’ny efitra fatoriana, izay toerana tsy maintsy nakatony ny varavarankely mba tsy hidiran’ny moka. Nitady tao an-tokontany tao ambadiky ny trano izy, izay toerana fanaovany akanjo lava maha-mpanjaka azy—saron-tava mamirapiratra sy satro-boninahitra vita amin’ny taratasy—mba hanatrika ny filankevitry ny tanàna.
Tao no nahitan’i Gift an’i Dadabe nipetraka tamim-pahatoniana teo amina seza lava iray, nitazana ny sahan’ny fianakaviana. Nitsiky i Gift.
“Dadabe!” hoy izy niantso.
Nitsangana i Dadabe ka nanokatra tsara ny sandriny. “Ilay zazavavy malalako,” hoy izy nibitsibitsika rehefa nofihininy tamin-kafanana izy. “Mipetraha ary mialà sasatra miaraka amiko.”
“Nalahelo anao aho,” hoy i Gift.
“Izaho no tena nalahelo anao. Faly aho fa eto ianao.” Niato nandritra ny fotoana fohy i Dadabe dia nanontany hoe: “Fantatrao ve ny maha-zava-dehibe an’ity saha ity?”
Nahifikifik’i Gift ny lohany.
Nanondro ilay hazo teo anoloan’izy ireo i Dadabe. “Io no hazon’ny fianakaviana,” hoy izy. Tsikaritr’i Gift fa toa antitra sy matanjaka ilay izy.
“Ireo kapila eo amin’ny tany manodidina ilay hazo dia ahitana ny anaran’ireo razambentsika. Mila mahatsiaro mandrakariva ny fianakaviantsika isika.”
Tsy nahafantatra ny ankabeazan’ireo anarana teo amin’ireo kapila i Gift. Ahoana no hahafahany mahatsiaro olona iray izay tsy fantany? “Lazalazao amiko ny momba azy ireo ry Dadabe,” hoy i Gift.
Namaky tsirairay ireo anarana i Dadabe ary nitantara tamin’i Gift ny tantaran’ireo razambeny. Rehefa niteny izy dia tsapan’i Gift fa tantarany ihany koa ireo amin’ny fomba hafa. Nanana zavatra itovizana be tamin’ireo olona tao amin’ny fianakaviana izay tsy mbola nihaonany mihitsy izy.
Tamin’izay fotoana izay dia nahatakatra zavatra manan-danja i Gift. Tsy ny onja sy ny tany fotsiny no nahatonga azy hahatsapa ho olon’afaka eto. Ilay fifandraisana tamin’ny fianakaviany tsapany tao amin’io tanàna kely io niaraka tamin’i Dadabe izany.
Nitantara tantara i Dadabe mandra-pandihizan’ireo kintana eny amin’ny lanitra.
Nony farany dia nisento i Dadabe. “Tokony handeha hiditra amin’izay isika.”
“Andraso kely vetivety aloha,” hoy i Gift.
Nandeha teny amin’ilay hazo i Gift ary nikasika moramora ny hodiny. Avy eo izy dia nijery ireo kapila teo amin’ny tany ary nahatsiaro ny tantaran’ny razambe tsirairay. Indray andro any hitsidika ny tempoly izy ary hanatanteraka ôrdônansy masina ho azy ireo. Noho izy ireo no nahatonga azy teto ankehitriny. Hanao ny anjarany izy mba hamaliana soa ilay fanomezana izay nomen’ izy ireo azy.
Novelarin’i Dadabe ny tanany mba hanakatra azy, dia noraisin’i Gift izany. Nony avy nanopy farany ny masony tany amin’ilay hazon’ny fianakaviana dia niditra tao an-trano i Gift, ary mbola maro tamin’ireo fianakaviany no niandry hiarahaba azy.
Sary nataon’i Audrey Day