2025
Miandrandra ny fandaharan’asa zatovo
Namana nôvambra 2025


“Miandrandra ny fandaharan’asa zatovo,” Namana, nôvambra 2025, 38–39.

Miandrandra ny fandaharan’asa zatovo

Indraindray ny fandaozana ny Kilonga amin’ny taona mahafeno 12 taona anao dia mety mampatahotra na mitondra alahelo mihitsy aza. Soa ihany fa misy zavatra mampientanentana betsaka mikasika ny fahatratrana ny faha 12 taona sy ny fidirana ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy misy anao na ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna! Indreto misy vitsivitsy amin’izany.

1

Ny tempoly

Afaka mihaona amin’ny evekanao ianao mba hahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy hanao batisa ho an’ny maty ao amin’ny tempoly!

2

Fiaraha-mientana sy hetsika

Hanana fiaraha-mientana maro ianao miaraka amin’ny vondrona Zatovovavy na ny Fisoronana Aharôna misy anao. Afaka mandeha any amin’ny lasin’ny zatovo koa ianao mba hifalifaly miaraka amin’ny hafa sady mianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany!

3

Manompo ao am-piangonana

Afaka mahazo antso hanompo ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy iray ianao. Hanana fahafahana ihany koa ianao hampianatra ny kilasinao, hanampy amin’ny fandrafetana ireo fiaraha-mientana, ary hanompo amin’ny fomba hafa!

4

Fihaonamben’ny Seminera sy HZM

Amin’ny taona mahafeno 14 taona anao dia afaka manomboka manatrika seminera ianao mba hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Afaka manatrika ireo fihaonamben’ny HZM koa ianao (Ho Zatovo Mahery) miaraka amin’ireo zatovo hafa izay tia sy maniry ny hanaraka an’i Jesoa Kristy.

5

Votoatiny vaovao ho ANAO!

  • Miaraka amin’ny fanampian’ny ray aman-dreninao dia misorata anarana amin’ny gazetiboky Hozatovo mahery! ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana.

  • Anontanio ny ray aman-dreny iray momba ny fisintonana ny application Vivre l’Évangile. Manana hevitra mahafinaritra ho an’ny fianarana ny filazantsara sy ny fanaovana tanjona ho an’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo izany.

  • Halalino ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy. Io bokikely io dia nosoratana mba hanampiana anao hanaraka an’i Jesoa Kristy.

  • Afaka mahita tantara mankahery sy mozika sy filazana, ary ny maro hafa ianao sy ny fianakavianao ao amin’ilay kaonty tambazotra ifaneraserana Strive to Be [Miezaka ny ho].

Pejy PDF maneho zatovolahy sy ny zatovovavy manao fiaraha-mientana samihafa