“Faly ny hanampy!” Namana, Ôktôbra 2025, 44–45.
Boky ho an’ny ankizy mianatra mamaky teny
Faly ny hanampy!
Tantara marina avy any Taiwan
Tia manao sary ao amin’ny kilasin’ny zava-kanto i Yi-Hsun.
Rehefa tapitra ny fotoana fanaovana zava-kanto dia mandeha any an-tokontany ny rehetra mba hihazakazaka sy hilalao. Yi-Hsun dia te-hihazakazaka mba hanenjika an’ireo namany.
Saingy avy eo izy dia nahita an’i Yi-Ruei tafintohina tamin’ny vato iray ka nandona ny lohaliny. “Ao tsara ve ianao?” Nanontany i Yi-Hsun.
Nanetsiketsika ny lohany i Yi-Ruei ka nanomboka nitomany.
Nanampy ilay namany handeha ho any amin’ny mpitsabo mpanampy ao an-tsekoly i Yi-Hsun. Manadio ny lohalik’i Yi-Ruei ilay mpitsabo mpanampy ary nilaza taminy mba hiala sasatra.
Manampy an’i Yi-Ruei hiverina any amin’ny efitrano fianarana i Yi-Hsun.
Faly i Yi-Hsun fa nanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa izy ka nanampy an’i Yi-Ruei. Miara-mamarana ny sariny izy ireo.
Sary nataon’i Samantha Windley