“Ny safidin’i Logan handoa fahafolonkarena,” Namana, nôvambra 2025, 8–9.
Ny safidin’i Logan handoa fahafolonkarena
“Vonona ve ianao hankatò ilay didy hoe handoa ny fahafolonkarena?” Hoy i neny nanontany.
Tantara marina avy any Etazonia.
Fony Logan dimy taona dia nihevitra izy fa tsy tsara ny mandoa fahafolonkarena!
Nametraka 10 dôlara teo amin’ny latabatra i Neny nandritra ny takarivan’ny mpianakavy. “Andao mody hanao hoe nandray karama 10 dolara ianao.”
Nitsiky i Logan. “Eny ary!”
“Ny fahafolonkarena dia 10 isan-jato. Noho izany dia hanome ny iray dôlara amin’ny Fiangonan’ny Tompo ianao.” Nisintona iray dôlara niala tamin’ireo vola i Neny.
Niketrona i Logan. “Hanome iray dôlara ve?” Tsy foiko ny volako rehetra !”
“Mety hanana fahatsapana hafa ianao rehefa lehibe kokoa,” hoy i Neny. “Nanome antsika ny zava-drehetra ny Ray any An-danitra. Ny fandoavana fahafolonkarena dia fomba iray hanehoantsika amin’Andriamanitra fa tia Azy isika ary feno fankasitrahana noho ireo fitahiana avy Aminy.”
Rehefa enina taona i Logan dia nampianatra azy ireo mpampianatra azy tao amin’ny Kilonga fa ny fahafolonkarena dia ampiasaina hanorenana tempoly. Tian’i Logan ny tempoly. Noho izany dia mety ho hevitra tsara ho an’ny olona sasany ny fandoavana fahafolonkarena. Saingy tsy ho azy.
Rehefa fito taona i Logan dia tsikariny fa nitsiky ny olona rehefa nanolotra ny valopin’ny fahafolonkarena tamin’ny eveka. Afaka mitondra fifaliana ho anao tokoa ve ny fanomezana ny volanao?
Rehefa feno valo taona izy dia nanontany azy i Neny nanao hoe: “Logan, nahoana ianao no nisafidy ny hatao batisa?”
Fanontaniana mora izany! “Mba hitandrina ireo didy sy hanaraka an’i Jesoa Kristy,” hoy i Logan.
“Noho izany dia vonona ve ianao hankatò ilay didy hoe handoa ny fahafolonkarena?” Hoy i neny nanontany. “Miankina aminao izany.”
Nanomboka nahatsapa ho nalahelo be i Logan. Tsy fanontaniana mora izany. Mbola tsy te hamoy ny volany ihany izy. Saingy te hitandrina ny didy izy. Nieritreritra ny tempoly sy ireo olona mitsiky izay nandoa fahafolonkarena i Logan. Dia niaina lalina izy avy eo ary niteny hoe: “Eny.”
“Ho safidy tsara izany!” Hoy i Neny.
Nahatsiaro ho nahazo aina kokoa i Logan. “Fantatro fa manan-danja kokoa noho ny fitazomana ny volako rehetra ny fitandremana ny didy.”
Tamin’ny alahady, rehefa nanolotra ny valopy fandoavana fahafolonkarena voalohany tamin’ny eveka i Logan dia nahatsikaritra fa nitsiky izy. Nahatsapa fifaliana izy! Mbola tsy takany avokoa ny zavatra rehetra momba ny fahafolonkarena. Saingy tia an’ Andriamanitra izy, ary fantany fa hitahy azy Andriamanitra noho ny fankatoavana ny didy.
Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney