2025
Manara-dia an’i Jesoa any Espagne
Namana nôvambra 2025


“Manara-dia an’i Jesoa any Espagne”, Namana, Nôvambra 2025, 14–15.

Manara-dia an’i Jesoa any Espagne

Fantaro i Eimy

Ankizivavy iray mitsiky miaraka amin’ny fianakaviany

Manara-dia an’i Jesoa Kristy i Eimy amin’ny alalan’ny fanampiana ny fianakaviany sy ny filalaovana miaraka amin’ireo zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreniny. “Rehefa manompo ny hafa aho dia manana fahatsapana tsara sy faly,” hoy izy.

Mizara momba ny Fiangonana amin’ny hafa ihany koa i Eimy. “Tena faly aho rehefa nizara ny filazantsara tamin’ireo namako tany an-tsekoly,” hoy izy. Nanasa ny iray tamin’ireo namany hanatrika ny batisany izy ary nivavaka ho azy. Tiany ihany koa ny mizara ny sakafony sy ny kilalaony amin’ny hafa.

Mombamomba an’i Eimy

Ankizivavy mitsiky miaraka amin’ny voninkazo mavokely

Taona: 8

Avy any: Guadalajara, Espagne

Fiteny: Espaniôla

Tanjona: Handeha hitsidika ny fianakaviany any Colombie

Fialam-boly: Fanatanjahan-tena, mandeha mijery sarimihetsika miaraka amin’ny fianakaviany, ary milalao any amin’ny zaridainam-panjakana miaraka amin’ireo namany

Fianakaviana: Eimy, anadahy anankiroa, Neny, ary Dada

Ankizivavy sy ankizilahy anankiroa milalao any ivelany

Ireo zavatra tian’i Eimy indrindra

Tantara ao amin’ny soratra masina: Rehefa nampianatra ny ankizy i Jesoa Kristy

Sakafo: Arepas (mofo nosesehana)

Voankazo sy legioma: Akondro sy salady

Loko: Mavokely, voloparasy, maitso

Hira ao amin’ny Kilonga:Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2.)