2025
Margo sy Paolo
Namana nôvambra 2025


“Margo sy Paolo,” Namana, nôvambra 2025, 33.

Margo sy Paolo

Mahatsiaro an’i Dadabe

Nanao zavatra tsy nampoizina tamin’i bebe i Margo sy i Paolo ary i Lucas.

Margo: Arahabaina nahatratra ny andron’i Dadabe!

Bebe: Hmm? Ny tsingerin-taona nahaterahan’i Dadabe ve no tianareo holazaina?

Manao satroka fanao amin’ny fety i Margo sy Paolo, misy boloky eo an-tsorok’i Margo

Margo: Fantatray fa manina azy tokoa ianao, ary izahay koa torak’izany.

Paolo: Noho izany dia te hankalaza azy izahay anio. Hiara-hanao ny zavatra tiany indrindra isika!

Mijery voninkazo mitombo ao amin’ny fitoeram-boninkazo i bebe sy i Paolo ary Margo.

Paolo: Mitombo tsara ireo voninkazon’i Dadabe!

I Bebe manaroharo sakafo ao anaty vilany eo am-pisakafoanan’i Margo sy Paolo ary i dada

Bebe: Stroganoff no sakafo tian’i Dadabe indrindra. Nanamboarako izany izy isaky ny Alahady!

Paolo: Mmmm.

Mandeha an-tongotra eny amoron-dranomasina miaraka amin’i Bebe i Margo sy ny fianakavian’i Paolo

Margo: Tsaroanareo ve ilay trano vita amin’ny fasika GOAVANA nampiany naorintsika? Tena lehibe sahala amiko ilay izy!

Nametraka voninkazo teo amin’ny fasan’i dadabe ilay fianakaviana

Bebe: Misaotra rankizy. Andro lehibe ny andro androany.

Margo: Tianay ianao ry Dadabe! Ary fantatray fa hiaraka aminao indray izahay indray andro any noho i Jesoa Kristy.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Katie McDee