“Ampianaro momba ny fahafolonkarena aho”, Namana, nôv. 2025, 46–47.
Ireo zavatra fototra ao amin’ny filazantsara
Ampianaro momba ny fahafolonkarena aho
Mangataka antsika mba handoa ny fahafolonkarena ny Ray any An-danitra. Ny fahafolonkarena dia iray am-pahafolon’ny volantsika.
Mampiasa ny fahafolonkarena amin’ny fomba maro ny Fiangonana. Ny fomba iray dia ny fananganana tempoly.
Mandeha any amin’ny olona sahirana ihany koa ny fahafolonkarena. Azo ampiasaina izany mba hanampiana aorian’ny voina tampoka.
Rehefa mandoa fahafolonkarena isika dia manampy ny Ray any An-danitra hitahy ny olona manerana an’izao tontolo izao.
Fahafolonkarena vola madinika
Farano ny fandokoana ireo vola madinika 10. Avy eo dia ataovy faribolana ny vola madinika iray izay ho an’ny fahafolonkarena.
Sary nataon’i Daniela Sosa