2025
Fiadanam-po ao anatin’ny vavaka
Namana nôvambra 2025


“Fiadanam-po ao anatin’ny vavaka” Namana, nôvambra 2025, 30–31.

Mpamaky lay tany amin’ny firenena rehetra

Fiadanam-po ao anatin’ny vavaka

Hanohy hitarika azy ireo ny Ray any An-danitra.

Tantara marina avy any Etazonia tamin’ny 1844.

Ankizivavy mpisava lalana iray mitazana ny Tempolin’i Nauvoo mbola tsy vita

“Ambony kokoa ry dada!” Niantsoantso i Mary.

Nihomehy i dada ary nanosika mafy indray mandeha ilay antsavily. Nifatotra tamina hazo lehibe iray izay nitongilana niatrika ny Renirano Mississippi ilay antsavily. Tian’i Mary ny rivotra malefaka teo amin’ny tarehiny sy ny manitikitika tao an-kibony rehefa natosika mandroso sy miverina nankany amin’ilay rano izy.

“Izaho no manaraka!” Hoy i Elizabeth.

Nitsambikina avy teo amin’ilay antsavily i Mary mba hamelana ny rahavaviny hilalao ihany koa.

Nipetraka tao Nauvoo ny fianakavian’i Maria. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny ray aman-dreniny taona vitsy lasa izay, ary namidin’izy ireo ny fananany rehetra mba hifindrana any, hahafahana miaraka amin’ireo Olomasina hafa.

Toerana feno olona be i Nauvoo. Isan’andro dia nisy olona vaovao tonga. Nitaky asa mafy ny fanorenana tanàna vaovao, ka na ny ankizy aza dia nanampy. Nahatsapa ho lehibe sy manan-danja i Mary rehefa nanampy. Indraindray izy dia nanampy tamin’ny alalan’ny fanaterana ny sakafon’ny dadany raha teo am-panaboarana ny tempoly vaovao izy.

Rehefa alahady dia anaovan’i Mary ny akanjony tsara indrindra ary nanampy ireo anadahiny sy rahavaviny hiomana ho any am-piangonana izy. Nivory teo ambanin’ireo hazo ny olona rehetra mba hihaino ny Mpaminany Joseph Smith momba an’i Jesoa Kristy. Tian’i Maria ny nianatra fa hoe afaka hiara-hipetraka amin’ny Ray any An-danitra izy ireo indray andro any. Efa nahita sy nandre zavatra mahatalanjona maro ny Mpaminany.

Na izany anefa dia tsy tia ny Mpaminany ny olona sasany. Nahare tantara momba ireo olona izay naniry ny hanao ratsy azy i Mary.

Indray harivan’ny andro fahavaratra dia nanampy an’i Neny hanadio taorian’ny sakafo hariva i Mary. Avy eo dia tonga tao an-trano i Dada. Latsa-dranomaso izy.

“Fa misy inona?” Hoy i Neny nanontany.

“Nisy namono ny Mpaminany Joseph,” hoy i Dada.

Nanomboka nitomany koa i Neny. “Ahoana no ahafahan’ny Fiangonana hitohy raha toa ka tsy eo izy?” nanontany izy.

Nalahelo be sy natahotra i Mary. Fantany fa mpanompo voafidin’Andriamanitra ny Mpaminany. Ahoana no ahafahan’ny Ray any An-danitra namela izany hitranga?

Ankizivavy mpisava lalana mandohalika mivavaka any ivelany

Nanomboka nitomany izy ary nihazakazaka nivoaka ny trano nankany an-jaridaina. Rehefa avy nandohalika teo akaikin’ny kirihitra kely i Mary dia nanomboka nivavaka. “Ray any An-danitra ô, inona no hataonay?” Novonoina ny mpaminaninay.” Niraraka teo amin’ny tarehiny ny ranomaso.

Dia nisy feo malefaka tonga tao an-tsain’i Maria. Hanangana mpaminany iray hafa aho hitarika ny oloko.

Nisy fahatsapana feno fiadanana sy fifaliana nameno ny fony. Nofafany ny masony ka nihazakazaka niverina haingana araka izay tratrany tao an-trano izy.

“Neny! Dada!” Hoy i Mary. “Nivavaka aho dia namaly ahy ny Ray any An-danitra.” Nolazainy azy ireo ny momba ilay feo sy ilay fahatsapana fiadanana tsapany.

Rehefa namihina azy i Dada sy i Neny dia fantany fa hilamina ny zava-drehetra. Mbola nalahelo izy, ary fantany fa hisy fotoan-tsarotra ho avy. Saingy mbola hanohy hitarika azy ireo sy hanampy azy ireo ny Ray any An-danitra.

Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Kristin Sorra