2025
Mianatra avy amin’ny fihaonambe
Namana nôvambra 2025


“Mianatra avy amin’ny fihaonambe” Namana, nôvambra 2025, 6–7.

Mianatra avy amin’ny Fihaonambe

Ny raikipohin’ny vaovao mahafaly

Nampianatra antsika ny Loholona John D. Amos mba hanaraka ny raikipohin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina mba hananana fiainana sambatra. Jereo ny soratra masina tsirairay mba hahitana ny kanonkanona manasa an’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainanao. Manaova sarina zanatsipìka mba hampidirana izany ao anatin’ilay vilany misy jambalaya. Asio X eo amin’ireo kanonkanona izay tsy tokony hampiasainao.

Mihaino ny fihaonambe

Miandrandra foana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aho. Mahafaly ahy mandrakariva ny fihainoana ny fampianaran’ireo Apôstôly sy ny mpaminanintsika. Zaraiko amin’ny rahalahiko sy ny mpifanolobodirindrina amiko ihany koa ireo fampianarana. Mampahatsiahy ahy ireo fampianarana fa tia ahy Andriamanitra isan’andro.

Jianna A., 9 taona, Kisumu County, Kenya

Tiako ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Mijery amin’ny fahitalavitra foana izahay.

Ismael R., 8 taona, Département de Lima, Pérou

Mankalaza ilay Fanambarana ho an’izao tontolo izao momba ny fianakaviana

Ity fihaonambe ity no faha-30 taonan’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”. Namporisika antsika ny Filoha Dallin H. Oaks handany fotoana hanaovana zavatra tsara miaraka amin’ny fianakaviantsika. Inona avy ireo zavatra sasany azonao atao miaraka amin’ny fianakavianao? Soraty eo amin’ny karatra etsy ambany izany. Avy eo dia hetezo ilay karatra mba hanampy anao hahatadidy ny hevitrao!

Page PDF with illustration of girl making jambalaya

Illustrations by Josh Talbot