2025
Ho an’ny ankizy lehibe
Namana nôvambra 2025


“Ho an’ny ankizy lehibe”, Namana, Nôvambra 2025, 34–35.

Ho an’ny ankizy lehibe

Teny avy aminao

Zazalahy mitsiky

Nianatra momba ny mpaminany Samoela tany am-piangonana aho ary tiako ilay tantara!

Liam F., 9 taona, Okinawa, Japana

Ankizivavy mitsiky

Fantatro fa mahafantatra ahy i Jesoa Kristy ary mahafantatra hoe iza aho. Feno fankasitrahana Azy aho noho ny fampaherezany ahy tao anatin’ny fotoan-tsarotra ary noho ny tsy famelany ahy handalo izany samy irery.

Antonella D., 10 taona, Rio Grande do Sul, Brésil

Pejy misy tantara an-tsary mahakasika ny tantaram-pianakaviana

Manorata na manaova sary momba ana tantara tena nisy ao anatin’ireo efajoro eo ambany ireo. Afaka mizara tantara iray avy ao amin’ny tantaram-pianakavianao ianao na fotoana iray nisafidiananao ny tsara. Alefaso aminay ny sary iray rehefa vitanao izany! Jereo any amin’ny fonon’ny boky any amin’ny farany mba hahitanao ny fomba hanaovana izany.

Vahao ilay Kaody

Fitahiana ny fahafolonkarena! Ny vola avy amin’ny fahafolonkarena dia manampy ny Fiangonana hanorina tempoly sy fiangonana, hanao printy soratra masina, hanohana ireo misiônera, ary zavatra maro hafa. Rehefa mankatò ilay didy handoa fahafolonkarena isika dia mitahy antsika amin’ny fomba maro ny Ray any An-danitra (jereo ny Malakia 3:10).

Ezaho fantarina ny lanjan’ny vola madinika tsirairay. Avy eo dia vahao ny olana farany. Ohatrinona no fahafolonkarena tokony haloanao? (Torohevitra: ny fahafolonkarena dia 10 isan-jato.)

Pejy PDF ahitana sahanasa iray hanaovana tantara an-tsary amin’ny tapa-taratasy, ary sahanasa momba ana kaody mikasika ny fahafolonkarena

Sary nataon’i Josh Talbot