“Karatra momba ny tempoly”, Namana Nôvambra 2025, 16.
Karatra momba ny tempoly
Tempolin’i Sydney, Aostralia
-
Io no tempoly voalohany tao Aostralia.
-
Niteny ny Filoha Gordon B. Hinckley nandritra ilay fanokanana fa nitsiky tamin’izy ireo Andriamanitra.
-
Maitso mandava- taona ireo hazo kininina eo amin’ny tany.
Tempolin’i Madrid Espagne
-
Niahy ny lanonana hady fototra tamin’ny 1996 sy ny fanokanana tamin’ny 1999 ny Filoha Gordon B. Hinckley.
-
Nanatrika ny varavarana misokatra ny mpanjaka sy ny mpanjakavavin’i Espagne.
-
Nomen’ny Filoha Hinckley fanomezana sarivongana kely maneho an’i Jesoa Kristy izy ireo.
Tempolin’i San Salvador El Salvador
-
Voahodidina zava-maniry tropikaly io tempoly io.
-
Ao amin’ny tanàna akaiky dia ahitana sarivongan’i Jesoa Kristy mijoro eo ambonin’ny tany mba hanehoana fa Izy no Mpamonjy izao tontolo izao.
-
Ahitana ny flor de izote, ny voninkazo nasionalin’ i Salvador ny tefibika maro nanaovana azy.
Sary nataon’i Rachel Erickson