2025
15.100 no mihoatra
Namana nôvambra 2025


“15.100 no mihoatra,” Namana, nôvambra 2025, 40–41.

Nosoratanareo

15.100 no mihoatra

Josué E. miaraka amin’ny solosaina iray ary manolotra famantarana mampiakatra ankihibeny

Nony feno valo taona aho dia efa ampy taona mba hanana ny kaontiko FamilySearch manokana! Natahotra aho tamin’ny voalohany, saingy ny ray aman-dreniko sy ny iray tampo amiko dia nampianatra ahy ny fomba fanaovana firaketana faobe sy famoronana ny hazon’ny tetiaram-pianakaviako mba hahafahako manampy ireo razambeko. Taorian’izay dia tsy nahatsapa ho natahotra intsony aho. Nahatsapa ho notohanana sy nomanina aho.

Ankizilahy iray miaraka amin’ny anabaviny sy ny rainy mijery solosaina

Taorian’izay dia naniry ny ho lasa mpanamarina tantaram-pianakaviana toy ireo ray aman-dreniko sy ireo iray tampo amiko aho. Nosafidiko izany ho iray amin’ireo tanjoko ho an’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo. Mba hanatratrarana io tanjona io dia tsy maintsy nirakitra firaketana miisa 1.000 aho.

Indraindray aho dia nahatsapa ho tototra. Saingy nampahatsiahy ahy ny ray aman-dreniko fa tsy hanao izany rehetra izany ao anatin’ny iray andro aho. Fa tokony hifantoka kosa amin’ny fanaovana firaketana telo isan’andro, ary dia ho tratrako alohan’ny taona iray ny tanjoko. Nilaza izy ireo fa raha sahirana amin’ny fahatakarana ireo sary aho dia hanampy ahy izy ireo.

Ankizilahy iray mivavaka, ary tanana manety karatra fanaovana ôrdônansy any amin’ny tempoly

Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra aho mba hahafahany manampy amin’ny fanatratrarana ny tanjoko. Nahatsapa ho nahazo aina kokoa aho taorian’ny vavaka nataoko.

Tsy nilavo lefona aho ary nanohy nanao firaketana faobe isan’andro isan’andro. Herintaona taty aoriana, talohan’ny naha-sivy taona ahy dia efa nirakitra rakitsoratra mihoatra ny 1.000 aho ary nomena ny sata maha mpanamarina. Tena faly tokoa aho!

Ankizilahy iray mipetraka eo amin’ny bozaka ivelan’ny tempoly

Ankehitriny aho dia mandeha miaraka amin’ny ray aman-dreniko foana mankany any amin’ny Tempolin’i Trujillo Pu. Manampy amin’ny fanaovana printy ireo karatra misy ny ôrdônansy aho, sy manapa-tapaka izany ka manome izany amin’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ireo ôrdônansy eo am-piandrasako eo amin’ny zaridainan’ny tempoly. Tsy ho ela dia ho afaka ny hiditra ao anatiny aho mba hanao batisa.

10 taona aho ankehitriny ary efa nanao firaketana faobe miisa 15.100! Faly izaitsizy sy mientanentana aho manohy manatratra ireo tanjoko mba hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Parker Nielsen