“Inona no mitranga rehefa maty ny mpaminany?” Namana, Ôktôbra 2025, 3.
Inona no mitranga rehefa maty ny mpaminany?
-
Miantso ny mpaminany hitarika ny Fiangonany ny Tompo, ary efa manana drafitra ho an’ny fotoana hahafatesan’ny iray amin’izy ireo Izy. Manoro sy mitarika ny Fiangonany foana Izy!
-
Rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana, dia ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no mitarika ny Fiangonana. Rehefa amin’izay dia tafiditra ao anatin’izany ireo Apôstôly roa izay mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany.
-
Mivavaka ireo Apôstôly ary manapa-kevitra ny amin’ny fotoana hananganana Fiadidiana Voalohany vaovao.
-
Miantso ny Apôstôly nanompo ela indrindra ny Tompo mba ho mpaminany sy Filohan’ny Fiangonana manaraka.
-
Amin’ny alalan’ilay mpaminany vaovao, dia miantso Apôstôly roa ny Tompo ho mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany vaovao.
-
Hisy Apôstôly iray vaovao antsoina hanompo ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.
-
Mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia manangana ny tanantsika isika mba hanohanana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo vaovao. Ny hoe manohana dia manaiky ny hitia sy hanohana azy ireo ary hanaraka ny fitarihan’izy ireo amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo azy ireo.
-
Rehefa voantso ny Filohan’ny Fiangonana na ny Apôstôly vaovao dia afaka mivavaka ianao mba hahafantarana fa voantson’ Andriamanitra izy ireo. Ary afaka manohana azy ireo ianao amin’ny alalan’ny fihainoana ny tenin’izy ireo sy ny fanarahana azy ireo!