2025
Ho an’ireo zaza madinika
Namana nôvambra 2025


“Ho an’ireo zaza madinika,” Namana, nôvambra 2025, 42–43.

Ho an’ireo zaza madinika

Zazalahy mitsiky

Te hanaraka an’i Jesoa aho ary te hatao batisa. Te handre ny bitsiky ny Fanahy Masina aho.

Won K., 4 taona, Séoul, Kôrea Atsimo

Ankizivavy mitsiky

Nahatsapa ho sahiran-tsaina aho handeha any amin’ny sekoly vaovao iray. Nivavaka aho mba hahazo fanampiana. Nanampy ahy ho be herim-po ny Fanahy Masina. Nihena tsikelikely isan’andro ny tahotro. Ankehitriny dia tiako ny mandeha any an-tsekoly.

Lyla R., 5 taona, Alabama, Etazonia

Fotoana handehanana any am-piangonana

Tondroy ireo zavatra ilainao homanina rehefa ho any am-piangonana.

Miova ho lasa lolo

Nahary ny zava-manan’aina rehetra Andriamanitra! Iza amin’ireo sary no mandeha voalohany? Inona avy eo ny manaraka? Inona no zavatra mitranga farany?

Sorito ireo kodiarana

Nampiasa sarety misarona sy sarety tarihan-tanana ireo mpamaky lay mba hanaovana dia lavitra. Sorito ireo tsipika manodidina ny kodiaran’ny sarety. Ary avy eo dia lokoy izany sary izany.

Pejy PDF miaraka amin’ny sahanasa fandokoana sarety mirakotra, sahanasa lolo izay apetraka araka ny filaharany, ary sahanasa misafidy hetsika hatao  amin’ny andro Sabata

Sary nataon’i Christine Battuz