2025
Nanao asa fitoriana tany Grande-Bretagne ireo Apôstôly
Mey 2025


Tantara ao amin’ny soratra masina

Nanao asa fitoriana tany Grande-Bretagne ireo Apôstôly

Joseph Smith maka sary an-tsaina ireo Apôstôly mitory any Grande-Bretagne

Nilaza tamin’i Joseph Smith ny Tompo mba handefa ny sasany amin’ireo Apôstôly hanao asa fitoriana any Grande-Bretagne. Mafy tamin’ireo Apôstôly ny nandao ny fianakaviany, saingy nampanantena ny hitahy azy ireo ny Tompo.

Ny fianakaviana Kimball marary eo am-pandriana

Nanana fianakaviana tanora i Heber C. Kimball sy i Vilate vadiny. Maro tamin’izy ireo no narary mafy.

Brigham Young manao veloma ny fianakaviany

Narary koa i Brigham Young, ary nahantra ny fianakaviany. Saingy nilaza taminy i Mary Ann vadin’i Brigham hoe: “Mandehana ary vitao ny asa fitoriana niantsoana anao, dia hitahy anao ny Tompo.”

I Heber sy i Brigham mitaingina avy ao aorianan’ny sarety

Nihatsara i Heber sy i Brigham, saingy tena nalemy izy ireo. Te hitory ny filazantsara izy ireo ka dia nanao veloma ny fianakaviany ary nianika tao aorianan’ny sarety iray mba hanomboka ny dian’izy ireo.

I Heber sy i Brigham mitory ny filazantsara amin’ny olona any Grande-Bretagne

Tonga tany Grande-Bretagne i Heber sy i Brigham taorian’ny dia lavitra niampita ny ranomasim-be. Nampianatrany filazantsara tamin’ny olona maro izy ireo niaraka tamin’ireo Apôstôly hafa. Olona an’arivony no vita batisa tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Maro tamin’izy ireo no niondrana an-tsambo namakivaky ny ranomasim-be mba hikambana amin’ireo Olomasina tany Etazonia.

Ny fianakavian’i Heber sy i Brigham miarahaba azy ireo eo amin’ny seranana

Notazonin’ny Tompo ny fampanantenany hikarakara ny fianakavian’i Heber sy i Brigham rehefa nanompo Azy tamin’ny naha-misiônera izy ireo.

Pejy amin’ny endrika PDF