2025
Ny tontolo kantontsika
Mey 2025


Ny tontolo kantontsika

Namboarina avy tamin’ny “Ny adidintsika amin’ny fikolokoloana ny tany”, Liahona, nôv. 2022, 57–59.

Sarina zaridaina misy tetezana sy kamory natao tamin’ny taratasy norovitina

Nitondra ny sasany tamin’ireo zafikelinay tany amin’ny zaridaina mahafinaritra iray tany Frantsa izaho sy ny vadiko. Nankafy ilay saham-boninkazo sy ireo voahirana ary ireo kamory izahay.

An’ilay lehilahy iray antsoina hoe Claude Monet ilay zaridaina taloha. Mpanao hosodoko malaza izy io. Niasa tamim-pitandremana tao amin’ny sahany nandritra ny 40 taona izy. Namorona sary hosodoko an-jatony izay avy amin’ny aingam-panahy mivantana azony tamin’ny zaridainany izy.

Afaka manampy antsika hanana fankasitrahana ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ny hakanton’ny zavaboary. Nahary ity tany tsara tarehy ity mbamin’ireo tendrombohitra, renirano, zavamaniry ary ireo biby Izy Ireo.

Ireo zavaboary mahatalanjona ireo dia maneho ny halehiben’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Na izany aza dia tonga niaraka tamin’ny adidy sy andraikitra ihany koa izy ireo. Izany dia antsoina hoe: fitantanan-draharaha Mila mikarakara ireo zavatra izay noharian’ Andriamanitra ho antsika isika.

Manasa antsika ihany koa ny Raintsika any An-danitra mba handray anjara amin’ny asa famoronany. Afaka mamorona zavakanto sy mozika ary zavatra hafa mba hitondra fifaliana eo amin’ny fiainantsika sy hitahiana ny hafa isika.

Mampanantena fitahiana lehibe Andriamanitra rehefa mitia sy mikarakara ny tany ary koa mifankatia isika. Hahatsapa kokoa ny fitiavany eo amin’ny fiainanao ianao rehefa manao izany.

Zavakanto vita avy amin’ny fanambatambarana taratasy norovitina

Nampianatra ny Eveka Caussé fa afaka ny ho tonga mpamorona koa isika! Ity misy asa tanana iray azonao atao mba hampahatsiahivana anao ireo zavaboary tsara tarehin’ny Ray any An-danitra.

  1. Mitadiava sarina zavatra iray eny amin’ny zavaboary izay manentana ny fanahinao.

  2. Mampiasà pensilihazo mba hanaovana sary ny ampahany samihafa amin’ilay sary, eo ambony tapa-taratasy iray.

  3. Mandrovita taratasy miloko mba hampiasaina amin’ny sarinao.

  4. Apetaho ao anatin’ny rindrandaminao ireo tapa-taratasy miloko.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Maddie Baker