2025
Tsy dia tena tonga lafatra
Mey 2025


Tsy dia tena tonga lafatra

Tapitra tamin’ny fomba ôfisialy ny tontolo andro tonga lafatr’i Adeline!

Tantara marina avy any Frantsa.

Ankizivavy mieritreritra ireo safidy tsara sy ratsy nataony

Vitan’i Adeline ny nanoritra ilay efa-joro fanamarihana farany teo amin’ny taratasiny. Nanoratra izao teo akaikin’izany izy: Mivavaka maraina sy alina.

“Inona ity?” Hoy i Neny nanontany.

“Manao ny lisitry ny zavatra hataoko rahampitso aho,” hoy i Adeline. “Hanana andro tonga lafatra aho!”

Nampiakatra ny volomasony i mama. “Izany ve?”

Nanaiky Adeline. “Nianatra momba ny fahatanterahana ao amin’i Kristy izahay tao amin’ny Kilonga. Ho hendry tsy misy toy izany aho hahafahako manana andro tonga lafatra.”

“Faly aho fa te hanao safidy tsara ianao,” hoy i mama. “Saingy fantatrao fa olona iray ihany teto an-tany no tanteraka dia i Jesoa Kristy izany.”

Nisento i Adeline. “Fantatro izany. Saingy tena mba te hanandrana aho! Afaka manao izany aho raha ny fahitako azy.”

Vonona i Adeline nony maraina ny andro. Nampirina ny fandriany izy ary nanao ny vavaka marainany.

Nanampy tamin’ny famahanana an’i Sylvia zandriny vavy izy nandritra ny sakafo maraina. Nisento mafy i Adeline rehefa nanary ny paisony teo amin’ny sezany manontolo i Sylvia. Nanisa hatramin’ny efatra izy dia nanampy tamin’ny fanadiovana.

Tany an-tsekoly dia nitady olona izay nila fanampiana i Adeline. Nioritra ny kitrokelin’i Lucas ka dia nentiny teny aminy ny lovia fisakafoany.

Rehefa nandao ny sekoly i Adeline dia nitsikitsiky be izaitsizy tamin’ilay vehivavy izay nihazona ny vavahadin’ny sekoly mba hisokatra. Mazàna ilay ramatoa no ohatra an’ny tezitra izany. Saingy namaly tsiky izy androany!

Rehefa avy nianatra i Adeline dia nanome an’i Sylvia ilay sarim-biby voasesika tiany indrindra mba hilalaovany aminy. Ary talohan’ny nandehanany natory dia nivavaka izy. Nanisy marika ireo zavatra tao amin’ny lisitra nataony izy ary namitsaka tao anatin’ny bodofotsiny. Nahatsapa ho tena faly sy reraka be izy. Vonona hiatrika andro iray hafa tonga lafatra rahampitso izy!

Rehefa nifoha i Adeline ny ampitso dia niparitaka teny amin’ny tany ny saribakoliny rehetra. Nihazona iray i Sylvia ary nitsentsitra izany. Nosintoniny daholo angamba izy rehetra ireo!

“Sylvia a!” Hoy i Adeline nivazavaza. “Efa nilaza taminao aho tsy hikitikitika ny saribakoliko!” Nalainy haingana ilay saribakoly notrotroin’i Sylvia. Nitomany i Sylvia dia nitsoaka.

Nanopy kely ny masony teo amin’ny lisitry ny zavatra nataony teo amin’ny varavarana i Adeline. Nanomboka nahatsapa ho nalahelo be izy.

Niditra avy any i mama raha iny i Adeline nahatsapa ranomaso teo amin’ny takolany iny.

Reny mankahery ny zanany vavy

“Fa inona no nitranga?” Hoy i Neny nanontany.

“Adinoko ny nivavaka. Tsy nampirina ny fandriako aho.” Nangovitra ny feon’i Adeline. “Ary ratsy fanahy tamin’i Sylvia aho. Vita hatreo, amin’ny fomba ôfisialy, ny androko tonga lafatra!”

Nofihinin’i mama i Adeline. “Tena sarotra ny ho tonga lafatra amin’ny fotoana rehetra. Raha ny marina dia tsy ho vita izany.”

Niketrona i Adeline. “Dia ahoana ary izany no ahafahako ho tanteraka ao amin’i Kristy?”

“Izay indrindra! Tsy afaka ny ho tanteraka isika raha tsy misy an’i Jesoa Kristy,” hoy i mama. “Nanolotra ny ainy ho antsika Izy satria fantatry ny Ray any An-danitra fa hanao fahadisoana isika ary hila fanampiana. Maka ireo andrana tsy lavorary ataontsika i Jesoa ary manao izay hahatonga azy ireo ho tsaratsara kokoa.”

Nieritreritra momba izany i Adeline. “Tsy afaka ny hanana andro tonga lafatra isan’andro aho izany noho izany?” hoy izy nanontany.

Nahifikifik’i mama ny lohany. “Tsia. Ho sarotra ny andronao androany. Saingy ho tsara koa ny andronao.” Nasisik’i mama tao ambadiky ny sofiny ny volon’i Adeline. “Ny fiezahanao manao ny tsara indrindra vitanao no zava-dehibe. Na dia miantomboka amin’ny safidy diso aza ny andro iray dia afaka mivavaka foana isika mba hibebaka sy hanandrana indray. Rehefa manao ny tsara indrindra vitanao, miaraka amin’ny fanampian’i Jesoa Kristy ianao dia izay dia ampy.”

Nahatsapa ho nahazo aina tao anatiny i Adeline.

“Andao indray ary hojerena ny lisitra nataonao.” Nanondro ilay lisitra i mama. “Ahoana raha mifantoka amin’ny zavatra iray fotsiny isika?”

Ankizivavy mandohalika mivavaka

Nijery ny lisitra nataony i Adeline. Nandrovitra ny ampahany tamin’ilay taratasy izy ary naraikiny teo amin’ny varavarana ny sisa tavela. Ny zavatra iray mbola tavela teo dia ny hoe: Manao vavaka maraina sy alina.

Nitsiky i Adeline. “Mety hoe tsy tonga lafatra ny niantombohan’ny androko, saingy mbola afaka mivavaka aho izao. Ary ho ampy izany miaraka amin’ny fanampian’i Jesoa Kristy!”

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Giovanni Abeille