2025
Ho an’ny ankizy lehibe
Mey 2025


Ho an’ny ankizy lehibe

Teny avy aminao

Zazavavy mitsiky

Mahatsapa ho faly aho rehefa manampy ny raiko manompo olona hafa.

Nia L., 10 taona, Fivondronan’i Hsinchu, Taiwan

Zazalahy mitsiky

Nanampy nanety ny bozaka teo an-tokotanin’ny mpifanolobodirindrina amiko aho. Nety tsara mihitsy ny zavatra nataoko. Fantatro fa rehefa miasa mafy aho dia mahafaly ny hafa izany. Fantatro fa tia ahy ny Ray any An-danitra!

Ronin F., 10 taona, Utah, Etazonia

Tontolo maro lokon’ Andriamanitra

Nomen’ny Ray any An-danitra tontolo tsara tarehy iray maro loko isika. Lokoy ilay sary amin’ny alalan’ny fampiasana ny tari-dalana manondro loko manokana ho an’ny ampahany avy, amin’ny sary etsy ambany. Tadiavo ny soratra masina tsirairay mba hahafantarana hoe iza amin’ireo tarehimarika no mety amin’ilay loko.

Tapatan

Manaova lalao iray avy any Filipina miaraka amin’ny namana iray! Manaova sarina lalao ataon’olona maro amina takelaka toy ilay anankiray eo amin’ny ankavia. Hila zavatra kely telo ianareo tsirairay avy, toy ny vato na vola madinika. Mifandimbiasa mametraka ireo zavatrareo eo amin’ny faribolana iray. Raha vantany vao eny ambonin’ny takelaka izy rehetra dia mifandimbiasa mamindra ireo zavatrareo hankeo amin’ny faribolana iray eo akaiky, amin’ny zotra rehetra izay tiana. Izay mahafeno faribolana telo mifanesy no mandresy!

Mpanampy miafina

Nisy olona avy ao amin’ny Kilonga nanao zavatra tsy nampoizina ho an-dRahalahy sy Rahavavy Müller tamin’ny fanesorana ahi-dratsy teo amin’ny zaridainan’izy ireo. Fa mba iza ary izany? Araho ireo teny fanoroana mba hahitana ny valiny.

  1. Tsy manangana tanana ilay mpanampy miafina.

  2. Manana volo olioly ilay mpanampy miafina.

  3. Tsy manao akanjo mitsipitsipika ilay mpanampy miafina.

  4. Mitsiky ilay mpanampy miafina.

  • Jakob

  • Emelia

  • Lina

  • Felix

  • Tobias

Pejy amin’ny endrika PDF misy fiaraha-mientana

Sary nataon’i Brian Biggs