2025
Ampianaro miteny aza fady aho
Mey 2025


Ireo zavatra fototra ao amin’ny filazantsara

Ampianaro miteny aza fady aho

Ankizy mijoro eo amin’ny seza bory iray ary manakatra boatina biscuit

Indraindray isika dia manao safidy diso.

Ankizivavy miresaka amin’ny anadahiny; voadona ireo zavatra eo ambonin’ny talantalana.

Afaka miteny isika hoe: “Azafady”, mba hahatsara zavatra kokoa.

Zazalahy manadio zava-maniry avy tao anaty tavy nivadika

Dia afaka manampy amin’ny famahana ilay olana isika avy eo.

Ankizivavy mivavaka

Afaka manao azafady amin’ny Ray any An-danitra koa isika. Hanampy antsika hanao tsaratsara kokoa foana Izy!

Fotoanan’ny tantara

Tondroy ny sary tsirairay mba hametrahana izany araka ny filaharany. Afaka milaza amin’ny olona iray ny zava-mitranga eo amin’ireo sary ve ianao?

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Anny Chen