Arahaba avy aty Taiwan!
Nosy iray akaikin’i Hong Kong i Taiwan. Mponina eo ho eo amin’ny 23 tapitrisa no mipetraka any. Ny Sinoa Mandarina, Hokkien, ary Hakka no fiteny ampiasaina indrindra any.
Fotoana fakana aina!
Any Taiwan dia mahazatra any an-tsekoly sy any amin’ny birao ny maka aina aorian’ny sakafo antoandro.
Voninkazo iray miavaka
Lasa mari-pamantarana ôfisialin’i Taiwan tamin’ny 1964 ilay felana prune. Nisafidy izany izy ireo satria mamelana foana izy io na dia mandritra ny ririnina aza.
Fanaterana haingana
Ny Taipei 101 no trano avo indrindra ao Taiwan. Ahitana ascenseur tena haingam-pandeha ao amin’izy io ary 37 segondra monja ny mandeha avy any amin’ny rihana faha-5 mankany amin’ny faha-89.
Tendrombohitra maro
Mihoatra ny antsasak’i Taiwan no rakotra tendrombohitra. Misy volkano maromaro ihany koa ao, saingy efa tsy nipoaka an-jato taona maro izy ireo.
Avana tsara tarehy
Ny avana naharitra indrindra teto an-tany dia nitranga tany Taiwan. Afaka nahita izany efa ho sivy ora ny olona!
Fankalazana ny Lanterne Céleste (Harendrin’ny lanitra)
Ny fetin’ny harendrina any Taiwan dia tandindon’ny fanantenana sy fifaliana ary firaisan-kina. Mandritra io fety lehibe io dia manao harendrina ny olona ary mandefa izany eny amin’ny lanitra.
Sary nataon’i Book of Lai