Mianatra sy mivoatra
Tonga eto an-tany isika mba hahafahantsika mianatra sy mivoatra ary ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra indray andro any (jereo ny Mosesy 1:39). Indraindray isika dia manao safidy izay tsy dia mitondra hafaliana ho antsika. Rehefa manota isika na manao fahadisoana, dia fahafahana iray ho antsika mba hitodika any amin’i Jesoa Kristy izany.
Afaka mivoatra foana ianao ary miezaka indray rehefa manao fahadisoana na safidy ratsy. Tia anao tanteraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary afaka manampy anao mandrakariva!
Afaka mibebaka ny olon-drehetra
Fahotana ny fisafidianana ny hanao zavatra iray izay fantatrao fa manohitra ny didin’ Andriamanitra. Efa nahafantatra ny Ray any An-danitra fa hanota avokoa isika rehetra ary hanao safidy ratsy. Izany no antony nanirahany an’i Jesoa Kristy Zananilahy. Noho Izy dia afaka mibebaka sy mahatsapa ny fitiavany ary manao safidy tsara kokoa isika (jereo ny Enôsa 1:5–6). Tsarovy fa ny Tompo dia nampanantena hoe: “Indro, izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42).
Mianatra avy amin’ireo hadisoana
Ny hadisoana dia zavatra ataonao tsy nahy. Indraindray ny hadisoana dia mety hahatonga anao hahatsapa ho malahelo na menatra. Saingy tsy mila mifantoka amin’ireo fahadisoantsika isika! Afaka mianatra avy amin’izy ireny isika ary manadino izany. Afaka manampy antsika amin’izany ihany koa i Jesoa Kristy .
Sary nataon’i Tatsiana Burgaud