Manara-dia an’i Jesoa any Taiwan
Fantaro i Ellie
Manaraka an’i Jesoa Kristy i Ellie amin’ny alalan’ny fanampiana ny fianakaviany hanao fiaraha-mientana amin’ny takariva ao an-tokantrano. Nampianariny ny zandriny lahy sy ny anabaviny ny fanekem-pinoana fahefatra ho an’ny fiaraha-mientana iray. Nanao tsianjery ilay fanekem-pinoana tamin’ny alalan’ny famerimberenana izany nandritra ny andro izy. “Ny fanaovana izany dia afaka manampy ahy handroso dingana iray hanakaiky kokoa an’i Kristy,” hoy i Ellie.
Mpampihavana ao amin’ny fianakaviany i Ellie. Manampy ny zandriny vavy mampiditra ny kiraro izy ary mamahana azy rehefa sahirana ny reniny. Rehefa miady ody ambavafo na seza iray ireo zandry iray tam-po aminy, dia mizara amin’izy ireo izy. Hoy izy: “Rehefa manara-dia an’i Jesoa kristy aho dia mahatsapa fiadanana ao am-poko.”
Mombamomba an’i Ellie
Taona: 7
Avy any: Taoyuan, Taiwan
Fiteny: Taiwanaise, Mandarina, Anglisy
Tanjona: Mahay mitendry pianô tsara, mianatra ireo Fanekem-pinoana, mianatra badminton
Fialamboly: Mitendry pianô, zava-kanto sy asa tanana, mihanika haram-bato, mihira
Fianakaviana: Ellie, mama, dada, zandrilahy, zandriny vavy
Ireo zavatra tian’i Ellie indrindra
Tantara ao amin’ny soratra masina: i Nefia mody manao hoe Labàna mba hahazoana ireo takela-barahina (jereo ny 1 Nefia 4)
Voankazo sy legioma: Paiso tantely sy voaloboka ary holatra enoki
Sakafo: Paty vetivety dia masaka
Loko: avana
Hiran’ny Kilonga: “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 98)