2025
Sahanasa momba ny Avia, hanaraka Ahy
Mey 2025


Sahanasa momba ny Avia, hanaraka Ahy

30 jona–6 jolay: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75

Fo fanompoana

Ankizy mametraka fo vita amin’ny taratasy eo amin’ny varavarana

Miantso eveka sy filohan’ny sampana Andriamanitra mba hanampy amin’ny fanompoana ny olona ao amin’ny paroasy na sampana misy azy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:2). Hetezo ireo fo vita amin’ny taratasy ary soraty eo amin’ny tsirairay ireo zavatra tianao momba ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao. Apetaho eo amin’ny varavaran’ny biraony na ny tranony ireo fo.

7–13 jolay: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

Masoandro selestialy

Ankizy mihazona masoandro vita amin’ny taratasy mavo

Indray andro any isika dia ho afaka hiaina ao amin’ny fanjakana selestialy miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fianakaviantsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:62, 70, 92). Mampitaha ny fanjakana selestialy amin’ny masoandro ny soratra masina. Mampiasà lovia taratasy na tapaka taratasy mba hanamboarana masoandro. Maneteza taratasy miendrika telozoro maromaro atao tara-masoandro ary apetaho eo amin’ilay faribolana. Milazà momba ny zavatra azonao atao ankehitriny mba hiomanana hiara-hiaina amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy indray andro any.

14–20 jolay: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80

Fihetsika ataon’ny biby

Ankizy manainga ny rantsantanany mba hanao sofina bitro

Teo ambany fitarihan’ Andriamanitra dia nahary ny zavaboary rehetra eto an-tany i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:2). Manaova kilalao ankamantatra momba ny biby! Mody manao hoe biby ny olona iray. Miezaka mamantatra ny olona hafa rehetra hoe biby inona izy ireo. Raha vantany vao mahafantatra izany ianao dia lazao ny zavatra tianao momba izany biby izany.

21–27 jolay: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83

Mihira sy mivavaka

Ankizy mihira

Mandre lalandava ireo vavaka ataontsika ny Ray any An-danitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:3). Hirao miaraka amin’ny fianakavianao ny “Vavaky ny ankizy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 6). Atombohy amin’ny olona iray fotsiny ilay hira. Avy eo dia ataovy miditra tsikelikely ny olona hafa rehetra. Rehefa avy mihira ianareo dia miresaha momba ireo zavatra azon’ny mpianakavy ivavahana miaraka.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nalain’i Christina Smith