Avy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany
Ny ohatra nasehon’ny renin’ny renibeko
Namboarina avy tamin’ny “Tsotra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy”? Liahona, nôv. 2024, 96–99.
Feno fanoloran-tena hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Mary Bommeli renin’ny renibeko. Nampianaran’ny misiônera tany Suisse ny fianakaviany tamin’izy 24 taona.
Taorian’ny batisany dia nifindra tany Alemana i Mary. Hitan’i Mary fa tsy vitany ny tsy hizara ireo zavatra nianarany. Nivory nanodidina azy ny olona mba hihaino ny fampianarany teo am-panenomana lamba.
Niresaka ny Bokin’i Môrmôna sy ny fitsidihan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy an’i Joseph Smith i Mary. Nampianatra momba ny Fitsanganana amin’ny maty izy. Nijoro ho vavolombelona izy fa ny fianakaviana dia afaka ny hiaraka mandrakizay.
Asa masina ny mampianatra ireo zanaky ny Ray any An-danitra momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa mampianatra ireo fitsipika ireo amin’ireo olona ankamamiantsika isika dia hanampy antsika hahafantatra ny marina ny Fanahy Masina.
Manaova sary maneho zavatra niseho tamina olona ao amin’ny fianakaviana
Ny Filoha Eyring dia nahazo fitaomam-panahy avy tamin’ny renin’ny renibeny. Iza ao amin’ny fianakavianao no mitaona ny fanahinao hisafidy ny tsara? Ampiasao ireo takelaka etsy ambany mba hanaovana sary maneho zavatra niseho tamina olona ao amin’ny fianakaviana.
Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney