2025
Teny mamy sady tsotra
Mey 2025


Boky ho an’ny ankizy mianatra mamaky teny

Teny mamy sady tsotra

Tantara marina avy any Etazonia.

Ankizy mipetraka ao amin’ny Kilonga ary mihaino mpitarika iray

Nitsiky i Kaci rehefa naka ny toerany tao amin’ny Kilonga. Androany ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Nampatahotra ny niteny ny anjarany, saingy vitany izany!

Nitsangana teo anoloana Rahavavy Dench, filohan’ny Kilonga. “Nahavita zavatra tsara ianareo tamin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo androany!” hoy izy. “Fantatro fa niasa mafy ianareo tsirairay mba hianatra ny anjaranareo.”

Ankizilahy anankiroa miresaka, ankizivavy iray malahelo

“Ankoatra an’i Kaci,” hoy ny iray tamin’ireo ankizilahy lehibe kokoa. “Tsy nisy nahafantatra izay nolazainy.”

Niketrona tamin’ilay zazalahy rahavavy Dench, avy eo dia nitodika nitsiky tamin’i Kaci. “Tsara ny zavatra nataonao.”

Niezaka ny tsy hitomany i Kaci. Nanao izay tsara indrindra azony natao izy mba hianarana ny anjarany. Saingy tsy voalaza tsara araka ny tokony ho izy ny teniny indraindray.

Ankizivavy mitomany ao anaty fiara miaraka amin’ny fianakaviany

Tsy voatanan’i Kaci ela intsony ny ranomasony teny an-dalana hody.

“Fa misy inona?” Hoy i Neny nanontany.

“Nihomehy ahy ny iray tamin’ireo ankizilahy. Nilaza izy fa tsy voalazako tsara ny anjarako.” Nanomboka nitomany mafy kokoa izy.

Reny sy zanakavavy miresaka ao anaty fiara

“Tsara ny zavatra nataonao. Reharehanay sy i Dada ianao,” hoy i Neny. “Fantatrao ve hoe iza koa no mirehareha ny aminao?”

Nahifikifik’i Kaci ny lohany.

Ny “Ray any An-danitra,” hoy i Neny. “Fantany fa nanao izay tsara indrindra vitanao ianao.”

Nahatsiaro ho nahazo aina kokoa i Kaci. Te hampiasa ny teniny izy, mba hanampiana ny hafa hahatsapa fifaliana koa.

Tany an-tsekoly dia nilaza tamin’ny mpampianatra azy i Kaci hoe mahay mampianatra izy.

Nanamboatra talantalana iray i Dada tao an-trano. Nolazain’ i Kaci azy fa nety tsara ny zavatra nataony tamin’ny fanatsarana ny tranon’izy ireo.

Niara-nilalao baolina teo ivelan’ny trano i Kaci sy ny anadahiny. Nilaza taminy i Kaci fa mahay manipy tsara izy.

Ankizivavy mieritreritra ny fomba nampiasany teny feno hatsaram-panahy tamin’ny hafa

Nahatonga an’i Kaci hanana fahatsapana tsara tany anatiny ny filazana amin’ny olona fa nahavita zavatra tsara izy ireo. Rehefa nahita ny hafa nitsiky izy dia fantany fa nitondra fiovana lehibe ny teny tsotra nolazainy!

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Greg Paprocki