2025
Ireo namana manerana izao tontolo izao
Mey 2025


Ireo namana manerana izao tontolo izao

Sary nataon’ankizy maneho zazavavy iray eo ambanin’ny hazo iray misy avana ao an-damosiny

Rika R., 7 taona, Faritanin’i Rewa, Fidji

Sarina omby iray mitarika sarety mitafo nataon’ankizy

Brady T., 9 taona, Arizona, Etazonia

Sarina tempoly nataon’ankizy iray

Donghyeon K., 10 taona, Séoul, Kôrea Atsimo

Asa famoronana nataon’ankizy maneho omby iray mitarika sarety namboarina tamin’ny goba kilalao.

Becky sy Leo Y., samy 10 taona, Texas, Etazonia

Ankizy manao akanjo toy ny mpamaky lay miaraka amin’ny sarety mitafo namboarina tao an-trano

Niakanjo izahay, nilalao kilalao momba ny mpamaky lay, nanao dibera tao anaty siny, ary nanamboatra sarety tamin’ny baoritra mba hankalazana ny Andron’ny Mpamaky lay! Nahatsapa fankasitrahana izahay noho ireo mpamaky lay razambentsika izay namakivaky ireo lohasaha ary nahatoky tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

James, Annie, Alice, ary Norah G., 7, 9, 3, ary 5 taona, Oregon, Etazonia

Zazalahy mitsiky

Tiako ny mandeha any am-piangonana isaky ny alahady ary mihira ireo hiran’ny Kilonga.

Tevin N., 7 taona, Harare, Zimbabwe

Zazavavy mitsiky

Alohan’ny handaozanay ny trano ho any an-tsekoly dia manao ny vavaka fanaoko isa-maraina aho. Misaotra ny Ray any An-danitra aho noho ny amiko sy ny reniko ary ny zava-drehetra.

Carlota V., 8 taona, Faritr’i Lisbonne, Portugal

Zazalahy mitsiky miaraka amin’ny kilalao sarety mitafo sy sarety tarihin-tanana an’ny mpamaky lay izay namboarina.

Nanome ahy aingam-panahy hamorona sarety mitafo sy sarety tarihin-tanana an’ny mpamaky lay ny fianarana momba ireo mpamaky lay.

Koy S., 8 taona, Utah, Etazonia

Zazavavy mitsiky

Tiako ny manamboatra cookies. Manampy ilay laro tena miavaka indrindra foana aho, dia ny fitiavana izany! Rehefa mizara ireo cookies amin’ny hafa aho dia mahatsapa fiadanana sy fifaliana.

Missy N., 9 taona, Tennessee, Etazonia

Andiana ankizy sy mpitarika ao amin’ny Kilonga mihazona harona

Ireo ankizy sy mpitarika ao amin’ny Kilonga ao amin’ny Faritanin’i Lima, Peroa, dia nanomana harona misy sakafo ary nanome izany an’ireo ankizy mpitsoa-ponenana.

Pejy amin’ny endrika PDF