Ilay vahaolana mba hahazoana alokaloka
“Ahoana raha mamboly hazo vitsivitsy isika?” Hoy i Cristal nanontany.
Tantara marina avy any Arzantina.
“Afaka mandeha eny amin’io banja io ve isika?” Hoy i Cristal anabavin’i Ivan nanontany.
Nijery tany ivelany i Ivan. “Te ho eny aho,” hoy izy. “Saingy angamba tokony hiandry ny filentehan’ny masoandro isika. Mafana be ny andro.”
Saha lehibe feno bozaka teo akaikin’ny tranon’izy ireo ilay banja. Tian’izy ireo ny milalao fanenjika na ankiafina eny miaraka amin’ireo namany. Kanefa ilay banja dia tsy nisy alokaloka ho azy ireo mba hialana sasatra amin’ny hafanana. Ary olana lehibe izany tamin’ity fahavaratra ity.
Nangina kely aloha i Cristal. Dia hoy izy avy eo: “Ahoana raha mamboly hazo vitsivitsy isika? Amin’izay dia hisy fialokalofana eo amin’ny banja. Avy eo dia afaka milalao isika na dia mafana be aza ny andro!”
Nitsiky i Ivan. “Tiako izany hevitra izany!”
Nilaza tamin’i Papá momba ny drafiny rehetra i Ivan sy i Cristal. “Hangataka fahazoan-dalana amin’ny tanàna aho,” hoy izy.
Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia nahazo ny fahazoan-dalana nilainy izy ireo ary vonona ny hanomboka! Nentin’i Papá teo amin’ilay hazo lehibe naniry tao ambadiky ny tranon’izy ireo i Ivan sy Cristal. Nisy andiana zanakazo naniry teo ambanin’ilay hazo.
“Rehefa mamelana ilay hazo lehibe, dia mandatsaka voa amin’ny tany izy”, hoy i Papá nanazava. “Avy eo dia misy zanakazo mitsiry avy amin’izy ireny. Toy ny fahagagana madiniky ny zava-boary izy ireny!”
Nasehon’i Papá azy ireo ny fomba fihadiana amim-pitandremana ireo zanakazo. Nambolen’i Ivan sy i Cristal moramora tao anaty tavim-boninkazo izy ireo.
Avy eo, indray Sabotsy tolakandro rehefa dify tao ambadiky ny rahona ny masoandro, dia nampidirin’i Ivan sy i Cristal tao anaty sarety ireo zanakazo. Natosik’izy ireo moramora nankeny amin’ny banja izany. Nanampy tamin’ny fitondrana siny feno rano ireo zandrilahy sy zandrivavin’i Ivan. Nitondra lapelina vitsivitsy i Mamá sy i Papá.
Niara-nifidy toerana ho an’ny hazo tsirairay izy ireo. Nangady lavaka izy ireo ary namboly ny hazo tsirairay tamim-pitiavana. Nasehon’i Mamá azy ireo ny fomba fihadiana hady manodidina ny hazo mba hanondrahana azy ireo. “Mila taramasoandro, rano, ary zavatra mahavelona maro ireo hazo mba hihamatanjaka,” hoy izy. “Tahaka ny ankizy ihany!”
Nieritreritra ilay hazo tao ambadiky ny tranon’izy ireo i Ivan ary naka sary an-tsaina ny mety ho endrik’ireo hazo indray andro any. “Tsy mampino e!” hoy izy. “Ho lava kokoa noho isika ireo hazo ireo indray andro any!”
Amin’ny lohataona, dia hampitolagaga ny rehetra ireo hazo miaraka amin’ny voninkazo mavokely tsara tarehy sy mamiratra eo aminy. Amin’ny fahavaratra dia hivelatra hanerana ilay banja ny alokalok’izy ireo. Ary amin’ny fararano, ireo ravina dia handrakotra ny tany amin’ny karipetra mavo.
Nitsidika ny banja i Ivan sy i Cristal isan’andro mba hanara-maso ireo hazo. Nataon’izy ireo azo antoka izay hananan’ny hazo tsirairay rano ampy. Ary isaky ny nitsimoka ny ravina na sampana vaovao dia faly tokoa izy ireo. Nisy vokany ny asa mafy nataon’izy ireo!
Nahatsapa fifaliana i Ivan nieritreritra ny olona rehetra izay hankafy alokaloka eo amin’io banja io indray andro any. Nanampy tamin’ny fanamboarana ny tany ho toerana tsara kokoa ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra izy.
Sary nataon’i Colleen McKeown