2025
Tonga soa ry namana!
Mey 2025


Tonga soa ry namana!

Tian’ Andriamanitra ianao mba ho sambatra. Nitahy antsika tamin’ny drafitra mahafinaritra Izy mba hanampiana antsika hivoatra sy hianatra ary hanaraka Azy. Ny drafitry ny famonjena no iantsoantsika izany. Lokoy ilay sary lehibe ao amin’ny pejy 24–25 mba hianarana momba ny drafiny ho anao!

Ao amin’ny Namana amin’ity volana ity dia jereo hoe firy ny isan’ny ankizy avy amin’ny firenena samihafa azonao isaina! Mahita an’i Jamesi avy any Fidji ve ianao? Na Adeline avy any Frantsa? Mahafantatra sy tia ny zanany rehetra manerana izao tontolo izao Andriamanitra. Ny drafiny dia ho an’ny tsirairay sy ho an’ny olona rehetra—ary ho anao!

Amim-pitiavana,

Namana

PDF