Ireo tenin’ny Filazantsarako
Tadiavo ato amin’ity laharana Namana ity ireo teny sy andian-teny ireo!
Fitantanan-draharaha
Ny fitantanan-draharaha dia andraikitra mba hikarakara zavatra manan-danja. Matoky antsika amin’ny fitantanana ny tany ny Ray any An-danitra. Midika izany fa mangataka antsika Izy mba hikarakara sy hiaro ny tontolo mahafinaritra nohariany.
Fibebahana
Ny fibebahana no fomba itodihantsika amin’i Jesoa Kristy rehefa manao safidy diso isika. Mba hibebahana dia mila mahatsapa fanenenana amin’ny zavatra nataontsika isika, mangataka ny fanampiana sy ny famelan-keloky ny Ray any An-danitra, ary miezaka manonitra izany. Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia afaka miala amin’ny safidy ratsy isika ary manao safidy tsara.
Fanjakana Selestialy
Any amin’ny fanjakana selestialy no mipetraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Afaka miaina mandrakizay any miaraka amin’ny fianakaviantsika isika amin’ny alalan’ny fisafidianana ny fanarahana dia an’i Jesoa Kristy.
Fitsanganana amin’ny maty
Ny fitsanganana amin’ny maty dia ny fiverenan’ny fanahinao sy ny vatanao miaraka indray aorian’ny fahafatesanao. Raha vantany vao mitsangana amin’ny maty ianao dia tonga lafatra ny vatanao, ary tsy mety ho marary na ho faty intsony ianao. Noho ny sorom-panavotan’i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra.
Sary nataon’i Madison Baker