2025
Fiangonana vaovao ho an’i Jamesi
Mey 2025


Fiangonana vaovao ho an’i Jamesi

Nahatsapa zavatra hafa noho izay tsapany tany amin’ny fiangonany hafa i Jamesi teto.

Tantara marina avy any Fidji.

Nivoaka nankany amin’ilay faritra kely mifefy izay niompian’ny fianakaviany ireo kisoa i Jamesi. “Indro ary ry kisoa a!” Nanipy sakafo ho azy ireo izy, dia nitrena tam-pifaliana ireo kisoa.

Avy eo dia nentin’i Jamesi teo amin’ilay paompy teo ivelany ny tavoahangy madio fasiana rano. Nigororoana tao anaty tavoahangy ny rano mangatsiaka rehefa nandefa ilay paompy izy. Ny famahanana ny kisoa sy ny fakana rano ho an’ny fianakaviany no fomba nentiny nanampy isan’andro.

“Jamesi a!” Hoy i neny niantso. “Efa vonona ho any am-piangonana ve?”

Nanidy ny paompin-drano i Jamesi dia nitondra ilay tavoahangy mavesatra farany nankao an-trano. “Vonona amin’izay aho izao.”

Nandeha tany amin’ny fiangonana Kristianina iray tao amin’ny tanànan’izy ireo ny fianakavian’i Jamesi isaky ny alahady. Tia mianatra momba an’i Jesoa Kristy izy.

Tsy ela taorian’izay i Jamesi sy i Unaisi ary i Marama zandriny vavy dia nandeha an-tongotra niaraka tamin’ny fianakaviany sisa nankany am-piangonana. Nisy akoho vitsivitsy nirenireny teo amin’ny lalana.

Fianakaviana mijoro eo anoloan’ny trano fiangonana iray

Saingy rehefa tonga tany izy ireo dia nikatona ny varavarana. “Hadinoko fa mihidy ny fiangonana amin’ity herinandro ity sy amin’ny herinandro ambony satria lasa ilay pasitera,” hoy i dada.

“Misy fiangonana hafa azontsika aleha ve?” hoy i Jamesi nanontany. Halahelo izy raha tsy miangona amin’ity herinandro ity.

Nieritreritra fotoana fohy i dada. “Eny,” hoy izy. “Ohatra an’ny mahafantatra iray aho.”

Nanaraka an’i dada niverina tany an-tranon’izy ireo i Jamesi sy ny fianakaviany. Niditra tao amin’ny lakan’izy ireo izay vita tamin’ny hazo teo amoron’ny renirano izy rehetra. Nipetraka tany aoriana i dada mba hampandeha ny maotera.

Fianakaviana ao anaty lakana iray vita amin’ny hazo mandeha eny amin’ny renirano iray

Niraondraona teny ambonin’ny renirano ilay lakana. Nitady vorona niafina teny amin’ireo hazo maitso avo i Jamesi. Afaka 15 minitra teo ho eo dia nahita trano fiangonana kely iray izy ireo. Nisy famantarana iray toy izao izany: “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.”

“Ity ilay fiangonana noeritreretiko,” hoy i dada. Dia nentiny teny amin’ny morony ilay lakana, dia nidina ny olona rehetra. Naheno hira avy ao amin’ny trano fiangonana izy ireo.

Nony tao anatiny dia nipetraka niaraka tamin’ny ray aman-dreniny sy ireo iray tampo aminy i Jamesi. Nihaino ireo mpandahateny sy ireo hira izy ireo. Nahatsapa hafanana sy hafaliana tao anatiny i Jamesi.

Rehefa tapitra ilay fivoriana dia nisy vehivavy tsara fanahy tonga niresaka tamin’izy ireo. “Manana kilasy manokana ho an’ny ankizy isika,” hoy izy. “Antsoina hoe Kilonga izany. Te ho any ve ianareo?

Nijery ireo anabaviny i Jamesi. Somary nanahy kely izy handeha ho any amin’ny kilasy iray izay tsy nisy na iza na iza fantany! Soa ihany fa mba afaka nandeha any koa ireo anabaviny. Mety hahafinaritra angamba izany.

“Eny”, hoy i Jamesi.

“Andao ary!” Toa nientanentana i Marama.

Nanaraka ilay ramatoa nankao an-dakilasy i Jamesi sy ireo zandriny vavy. Nisy ankizy maro nipetraka teo amin’ny seza kely, niresaka sy nihomehy. Rehefa nipetraka i Jamesi dia nitsiky taminy izy ireo. Tsara fanahy daholo ny rehetra!

Niventy hira izy ireo ary nanampy an’i Jamesi sy ireo anabaviny hianatra ireo tonony ny ankizy hafa. Avy eo dia nanao lesona momba an’i Jesoa Kristy izy ireo. Nahatsapa zavatra hafa noho izay tsapany tany amin’ny fiangonany hafa i Jamesi teto. Fahatsapana fahasamihafana tamin’ny endriny tsara izany.

Fianakaviana sambatra eo anoloan’ny fiangonana iray

Niverina tao anaty lakana ny fianakavian’i Jamesi mba hody rehefa nirava ny fiangonana. Nijery ilay famantarana teo ivelan’ny trano fiangonana indray i Jamesi. Nisy ny anaran’i Jesoa Kristy teo amin’izany. Noho izany dia tsy maintsy Fiangonan’i Jesoa Kristy izany! Te hanaraka an’i Jesoa i Jamesi.

“Afaka miverina aty indray ve isika amin’ny herinandro manaraka?” Hoy i Jamesi nanontany.

Nitsiky i neny sy i dada. “Mitovy eritreritra aminao izahay,” hoy i Neny.

“Oeee!” Hoy i Unaisi nihoraka.

Nitsiky i Jamesi. Fantany fa nahita zavatra miavaka izy ireo. Ary tsy andriny ny hahafantatra zavatra misimisy kokoa.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Bethany Stancliffe