Andao hanetsika vatana
Lalao manipy haingana
-
Makà zavatra malefaka iray mba hatsipitsipy, toy ny ban-kiraro mihorona, baolina azo fenjaina, t-shirt—na inona na inona!
-
Mipetraha manao faribolana ary asio famantaranandro fanairana mametra ny fe-potoana hatramin’ny 30 segondra. Atsipazo miampitampita avy amin’ny olona iray mankany amin’ny olona iray haingana araka izay azonareo atao ilay zavatra. Rehefa tapitra ny fe-potoana amin’ilay famantaranandro fanairana dia miala izay olona mihazona ilay zavatra.
-
Alefaso ny famantaranandro fanairana mametra ny fe-potoana dia avereno atao izany, dia avereno hatrany mandrapaha iray sisa ny olona tavela. Ilay olona tavela farany no mandresy! Azonao atao ihany koa ny milalao ity kilalao ity miaraka amin’ny hira amin’ny alalan’ny fandefasana sy fanapahana izany an-kisendrasendra. Izay olona mihazona ilay zavatra, rehefa mijanona ny hira, no miala ary ny olona tavela farany no mpandresy.
Sary nataon’i Yev Haidamaka