2025
Tena misy ve i Jesoa?
Mey 2025


Nosoratanareo

Tena misy ve i Jesoa?

Ankizivavy iray mipetraka an-databatra miaraka amin’ny reniny sy ny anadahiny ary ny rahavaviny

Indray andro dia niaraka tamin’ireo mpiray tampo amiko teo amin’ny latabatra aho mba hanao ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina. Nanomboka ny lesona Avia, hanaraka Ahy ny reniko, saingy tsy tena nifantoka loatra aho. Nieritreritra zavatra hafa aho: Tena misy tokoa ve i Jesoa?

Nianatra izahay tany am-piangonana sy tao amin’ny Kilonga fa tena misy Izy, saingy tsy nahafantatra tao anatiko aho. Nieritreritra aho, dia nieritreritra, saingy tsy nahazo valiny.

Rehefa vita ny fandalinana soratra masina dia nanontany ny reniko aho hoe: “Tena misy ve i Jesoa?”

“Fanontaniana tsara izany!” hoy izy. “Ahoana raha mivavaka momba izany ianao?”

“Eny ary,” hoy aho.

Nivavaka aho tamin’io alina io ary nanontany hoe: “Ray any An-danitra ô, tena misy ve ny Zanakalahinao?” Avy eo dia nahatsapa hafanana be tao anatiko aho. Fantatro fa namaly ny vavaka nataoko Andriamanitra. Taorian’izay dia nanao vavaka fisaorana ho an’ny Ray any An-danitra aho noho ny namaliany ahy. Fantatro fa mihaino ny vavaka ataoko Izy ary hihaino ny anareo koa Izy.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Emily Davis