Mpamaky lay tany amin’ny tany rehetra
Toy ny any an-danitra
“Tianao ve ny ho any am-piangonana?” Hoy i dadatoa Reza nanontany.
Tantara marina avy any Inde sy Kanadà.
Namalona ny lobaka farany i Tahira ary nametraka izany tao anatin’ny valiziny. Nanangona entana ho an’ny diany mba hiaraka tamin’ny nenitoany sy ny dadatoany nandritra ny fahavaratra tany Kanadà izy. Nientanentana izy saingy somary natahotra ihany koa. Lavitra ny tranony tany Inde i Kanadà.
“Efa ao daholo ve ny zavatra rehetra ilainao?” Hoy i neny nanontany.
“Efa ao daholo angamba.” Nanidy ny valiziny i Tahira.
“Hahafinaritra ny fotoana hijanonanao any. Aza adinoina ny manome fihina mafy an’i dadatoa Reza sy i nenitoa Misu avy aty amiko,” hoy i Neny.
Rehefa nidina ny fiaramanidina tao Kanadà i Tahira dia nofihininy mafy i dadatoa Reza sy i nenitoa Misu. “Avy amin’ny mamako ity,” hoy izy.
Nandany ny andro vitsivitsy manaraka tamin’ny fizahana ny tanàna sy ireo toerana teo akaikikaiky izy ireo. Nitsidika ny toeram-pialana voly nandehanany voalohany izy ary nijery ny riandrano Niagara. Tena nahafinaritra izany!
Ny Sabotsy tolakandro dia nanampy tamin’ny fikarakarana akoho makhani ho an’ny sakafo hariva i Tahira. Rehefa avy nisakafo izy ireo dia nametraka fanontaniana iray taminy i dadatoa Reza.
“Tianao ve ny ho any am-piangonana hiaraka aminay rahampitso?” hoy izy nanontany. “Mandeha any amin’ny fiangonana Kristianina iray isika. Mianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany isika any.”
“Eny,” hoy i Tahira. Fivavahana hafa no ninoan’i mama sy i dada, saingy nandeha tany amin’ny sekoly kilasimandry Kristianina tany Inde i Tahira. Tsy dia ho hafa noho izany ny fandehanana any amin’ny fiangonana vaovao.
Nanao ny akanjo nomen’ny nenitoany mba hanaovany i Tahira ny ampitso. Rehefa tonga tao amin’ny trano fiangonana izy ireo ary niditra tao anatiny dia nihira daholo ny olon-drehetra. Nijanona i Tahira ary nibanjina ny olona rehetra. Nisy reny sy ray nipetraka niaraka tamin’ny zanany. Toa faly avokoa ny rehetra. Tsara tokoa ilay hira.
Toy ny any an-danitra izany, hoy i Tahira nieritreritra.
Nipetraka teo amin’ny iray tamin’ireo dabilio niaraka tamin’i nenitoa Misu sy i dadatoa Reza i Tahira. Nijery izy rehefa nandalo ireo lovia nisy mofo sy rano. Nihaino ireo mpandahateny niresaka momba an’i Jesoa Kristy izy. Ary naheno hira hafa fanampiny koa izy. Ny hira farany dia mikasika ny fiarahan’ny fianakaviana ho mandrakizay. Tiany ny zavatra tsapany tamin’ireo teny ireo.
Taorian’ny vavaka farany dia nitodika tany amin’i dadatoa Reza i Tahira. “Inona no dikan’ny hoe miaraka mandrakizay?”
Nitsiky i dadatoa Reza. “Mino izahay fa raha manaraka an’i Jesoa Kristy isika ary manao sy mitandrina ireo fampanantenana atao amin’ Andriamanitra dia afaka miaina any an-danitra miaraka amin’ny fianakaviantsika indray andro any—miaraka daholo.”
Nahatsapa hafanana tany anaty, avy any an-tampon-dohany ka hatrany am-paladihany i Tahira. Tiany ilay hevitra hoe hiaraka amin’ny fianakaviany mandrakizay.
Mbola nanohy nieritreritra momba ilay hira kanto i Tahira taorian’ny fiangonana. Naniry ny hianatra misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny fianakaviana mandrakizay izy. Nanapa-kevitra ny hihaona amin’ireo misiônera izy. Rehefa nandeha ireo herinandro dia nahafantatra misimisy kokoa hatrany i Tahira fa marina ny filazantsara.
Niantso ny ray aman-dreniny i Tahira mba hilaza amin’izy ireo ny zavatra nianarany. Avy eo dia nametraka fanontaniana iray manan-danja tamin’izy ireo izy. “Azo atao batisa ve aho?” Eny! Hoy izy ireo.
Nihira ny “Zanaky ny Ray aho” i Tahira sy i dadatoa Reza ary i nenitoa Misu, tamin’ny andro nanaovana ny batisany. Nadikan’i dadatoa Reza izany mba hahafahan’izy ireo mihira azy amin’ny fiteny Hindi. Hindi no fiteny itenenany any aminy any Inde.
Rehefa nihira i Tahira dia nahatsapa hafanana tao am-pony. Toy ny any an-danitra izany. Ary fantatr’i Tahira fa noho i Jesoa Kristy, raha toa ka nihazona ny fampanantenany tamin’ny Ray any An-danitra izy dia afaka ny hiaina miaraka amin’ Izy ireo indray, indray andro any.
Sary nataon’i Ekata Mandal