2025
Ilay vola tany an-tsena
Mey 2025


Ilay vola tany an-tsena

Amin’ity indray mitoraka ity aho dia hanao izay nangatahin’i mama, hoy i Anane nieritreritra.

Tantara marina avy any Ghana.

Ankizilahy mitazona vola ary mijery entam-barotra eo amin’ny an-tsena kely

Nitsiky i Anane teo am-pamakivakiana ny arabe. Nanenika ny tsena ny fofon’ny trondro endasina sy ny tafasirin’ny olona. Teny an-dalana ho any an-tranon’i dadatoa izy. Nomen’i Neny vola i Anane mba homena an’i dadatoa.

Nanopy maso manodidina nijery ireo tranoheva rehetra mivarotra ireo vokatra sy sakafo ary zavatra hafa izy. Nisy zavatra nahasarika ny masony nony avy eo.

Nisy tranoheva mpivarotra sakafo izay nanana ny roa tamin’ireo ody ambavafo, vatomamy sy bisikitra (biscuit) tena tiany indrindra. Nijery ny vola nampitondrain’i Neny azy izy. Zato cedis, betsaka izany, hoy izy nieritreritra. Ireo ody ambavafo tiany indrindra dia 10 cedis monja. Mety tsy hahatsikaritra akory i dadatoa raha toa ka misy banga kely amin’ilay izy.

Nividy ilay ody ambavafo i Anane. Nandrapaka vatomamy iray tao am-bavany izy ary nanohy nandeha nankany amin’ny tranon’i dadatoa.

Nijoro teo ivelan’ny tranony i dadatoa raha niakatra i Anane.

“Fa tsy Anane kely ve ity! Mandrosoa,” hoy i dadatoa. “Inona no azoko atao ho anao?”

“Nitondra vola avy tamin’i Neny aho ho anao.” Nanolotra azy ilay vola i Anane, ary avy eo dia namerina ny tanany tao am-paosiny. Ho tsikaritr’i dadatoa ve fa tsy tao ny sasany tamin’ilay vola? Nijery izy rehefa nanisa izany i dadatoa.

“Misaotra tamin’ny fitondranao azy ity,” hoy i dadatoa.

Faly i Anane fa tsy nahatsikaritra ilay vola tsy ampy i dadatoa. Nanao veloma izy ary nanomboka ny dia an-tongotra lavitra nody. Teny an-dalana dia namarana ny fihinana ny vatomamy sy ny bisikitra teny aminy izy.

“Nanao ahoana ny dia tany amin’i dadatoa?” Nanontany i mama rehefa tonga tao an-trano i Anane.

Nampakatra ny sorony izy. “Nahafinaritra ka!”

“Misaotra anao nitondra iny vola iny tany aminy, ho ahy,” hoy i Neny.

Niondrika nijery tamin’ny tany i Anane. Nanomboka nahatsapa ho meloka izy. Ahoana raha hitan’ny ray aman-dreniny fa nihinana ny sasany tamin’ilay vola izy? Tsy te hamery ny fatokian’izy ireo izy.

Ny ampitso marainan’io dia nangataka an’i Anane i Neny mba hividy zavatra tao amin’ny mpivarotra iray teo akaiky teo. “Mankanesa aty an-trano avy hatrany rehefa vita ny fividianana zavatra, izay a?”

“Eny.” Nandeha namakivaky ny tsena i Anane, saingy tsy nijanona nividy na inona na inona izy. Nampiketrona ny volomasony izy dia nieritreritra hoe: Amin’ity indray mitoraka ity aho dia hanao araka izay nangatahin’i mama.

Nody tany an-trano avy hatrany izy raha vantany vao vitany izay nataony. Nomeny an’i mama avokoa ny ambim-bola rehetra.

Nandeha tao amin’ny kilasin’ny Kilonga nisy azy i Anane tamin’io alahady io. “Manahoana!” hoy ny mpampianatra azy. “Androany isika dia hiresaka momba ny fankatoavana. Zava-dehibe ho antsika ny mihaino ny ray aman-drenintsika ary manao safidy tsara.”

Nieritreritra momba ny vola nolaniany tamin’ny vatomamy sy bisikitra i Anane. Nahatsapa ho nitebiteby tampoka izy. Fantany fa nanao safidy diso izy.

Naniry ny hiresaka tamin’ny ray aman-dreniny i Anane rehefa nirava ny fiangonana. Nidobodoboka mafy ny fony.

“Mama sy dada a! Hitanareo ilay vola nomenareo ahy mba hoentiko tany amin’ny dadatoa iny?” Hoy i Anane nanontany. “Nividy ody ambavafo vitsivitsy tamin’ny ampahany tamin’izany aho.” Niondrika nijery tamin’ny tany izy. “Mifona aho.”

“Misaotra noho ny fahamarinan-toetranao,” hoy i dada. “Reharehako ianao.”

Nitsiky i Anane. Faly tokoa izy fa nilaza ny marina. Ary nahatsapa ho nahazo aina izy tao anatiny rehefa avy nilaza izany tamin’ny ray aman-dreniny. Efa nanao safidy tsara kokoa sahady izy.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Aleksandar Zolotic