“Ilay traikefa nampientanentana nandritra ny fitsangatsanganana”, Namana, mey 2025, 40–41.
Ilay traikefa nampientanentana nandritra ny fitsangatsanganana
“Ndeha isika hiala moramora amin’ny vondrona”, hoy i Ralph.
Tantara marina avy any Ghana.
Nihazakazaka nankeny amin’ny bus niaraka tamin’i Kwame zandriny lahy i Nyamedo. Nihanika ireo tohotra izy ireo ary nipetraka teo akaikin’ny varavarankely iray. Nijery tany ivelany i Nyamedo mba hahitana ny masoandro mamirapiratra teo amin’ireo hazo maitso. Nandeha nanao dia hitsidika valan-javaboary iray ny sekolin’izy ireo. Traikefa hahafinaritra ity anio ity!
“Nyamedo!“
Nipetraka teo amin’ny seza teny ampitan’i Nyamedo i Ralph sy i Sierra namany.
Nosintonin’i Ralph ny moron’ny tanan’ny akanjon’i Nyamedo sady nibitsibitsika izy. “Rehefa tonga any amin’ilay valan-javaboary isika dia andao hizaha ny zava-misy any!”
“Oeee!” Hoy i Sierra. “Afaka manana ny traikefantsika manokana isika.“
Nanaiky tamin’ny lohany i Ralph. “Afaka miala moramora mialoha ny hanaovana ilay fiaraha-mientana voalohany isika.”
Naka sary an-tsaina ny zavatra rehetra mety ho hitan’izy ireo tany an-tany foana i Nyamedo. Hazo lava, biby mahafinaritra sy rian-drano mihitsy aza angamba!
“Mahafinaritra kosa izany! Ndeha hataontsika izany”, hoy izy sady nitsiky.
Rehefa nijanona teo amin’ilay valan-javaboary ilay bus dia niara-niala ny bus i Nyamedo sy i Kwame. Notenenin’ny mpampianatr’izy ireo ny rehetra mba hijanona miaraka amin’ny vondrona sy tsy handehandeha etsy sy eroa.
Nankeny amin’i Nyamedo i Ralph. “Tsaroinao ve ilay drafitra?” Hoy i Ralph nibitsibitsika.
Nanaiky tamin’ny lohany i Nyamedo. Saingy tsy nieritreritra intsony izy avy eo. Toa nampientanentana izany hoe hizaha tany foana izany kanefa fantatr’i Nyamedo fa mety hampidi-doza ihany koa izany. Dia ahoana raha very na maratra ry zareo?
Tampoka teo dia nahatsapa feo niresaka taminy izy. Mijanòna miaraka amin’i Kwame.
Tony sy malefaka ilay feo. Fantatr’i Nyamedo fa ny Fanahy Masina izany.
Nitaintaina izy ny amin’ny hoe ho tezitra aminy ny namany noho izy tsy handeha hiaraka hizaha ny toerana miaraka amin’izy ireo. Kanefa mety ho niaro azy ny Fanahy Masina.
Nitodika tany amin’i Ralph i Nyamedo. “Azafady fa raha ny marina dia mila mijanona miaraka amin’ny rahalahiko aho”, hoy izy. “Andraikitro izy.”
Nikentrona i Ralph.
“Kanefa nilaza ianao fa ho avy!”
“Nilaza ilay mpampianatra fa tokony hijanona isika”, hoy i Nyamedo. Nisento i Ralph sady nandeha.
Nandeha niaraka tamin’ny mpianatra ambiny i Nyamedo sy i Kwame ary nanaraka ny mpampianatr’izy ireo. Voalohany dia nanao tyrolienne izy ireo. Nifofofofo nitsena ny tarehin’izy ireo ny rivotra rehefa nisidina teny ambonin’ireo hazo maitso mazava izy ireo. Toy ireny hoe manidina ireny!
Avy eo ireo mpanoro dia tao amin’ilay valan-javaboary dia nampianatra azy ireo momba ny sasany tamin’ireo biby nonina tao. Tsy andrin’i Nyamedo sy Kwame ny hahita azy ireo. Nianatra momba ny zebra, ny rajako, ny bibilava, ny antilopa ary vorona maro be izy ireo! Rehefa avy nahita biby mahafinaritra maro izy ireo dia nandeha nihanika vato sy nitaingin-tsoavaly. Rehefa afaka kelikely dia nanao kilalao izy ireo.
Faly i Nyamedo fa nijanona niaraka tamin’ Kwame izy. Raha tsy nanao izany izy dia tsy ho nahita zavatra mahafinaritra maro!
Rehefa tonga ny fotoana hiverenana teny amin’ny bus dia hitan’i Nyamedo i Ralph sy Sierra. Nihazakazaka nankeny aminy izy ireo.
“Saika nenjehin’ny rajako romotra izahay”, hoy i Ralph nibitsibitsika. Somary natahotra kely izy. “Mety ho naratra isika.“
Nanaiky tamin’ny lohany i Sierra. “Soa ihany fa tsy nandeha ianao.“
“Oay e”, hoy i Nyamedo. “Faly aho fa tsy maninona ianao!“
Tena niaro ahy tokoa ny Fanahy Masina, hoy izy nieritreritra. Notazoniny ny tanan’i Kwame rehefa niara-nandeha nankeny amin’ilay bus izy ireo.
Feno fankasitrahana izy fa niaro azy ireo ny Fanahys Masina ary nanampy azy ireo hanana traikefa mahafinaritra.