“Arahaba avy aty Malezia!” Namana, mey 2025, 12–13.
Arahaba avy aty Malezia!
Fantaro ny momba ireo zanaky ny Ray any An-danitra manerana izao tontolo izao.
I Malezia dia firenena iray ao atsimo atsinanan’i Azia. Olona 33 tapitrisa farafahakeliny no monina any! Fiteny mihoatra ny 130 no ampiasaina any, anisan’izany ny Malay sy ny fiteny Anglisy.
Toeram-pihodinan’ny fifamoivoizana (rond-point) lehibe indrindra maneran-tany
Mirefy 2,1 maila (3,4 km) ny haben’ny toeram-pihodinan’ny fifamoivoizana iray any Potrajaya, Malezia. Io no toeram-pihodinan’ny fifamoivoizana lehibe indrindra maneran-tany!
Ala mikitroka fahiny
I Taman Negara no iray amin’ireo ala mikitroka antitra indrindra manerana izao tontolo izao. Eo amin’ny 130 tapitrisa taona eo izy io farafahakeliny.
Tilikambo roa
Ireo Tilikambon’i Petronas dia trano manaka-danitra anankiroa misy rihana 88. Eny amin’ny tapany ambony dia misy tetezana an’habakabaka iray iampitana eo anelanelan’ireo trano ireo.
Biby tsy fahita afa-tsy eo an-toerana
Misy biby hafa kely maro any Malezia! Anisan’ireo biby ireo ny ours du soleil, ouran-gutans (karazana rajako) ary ny tapira.
Zohy goavam-be
Goavana be mihitsy ny Sarawak Chamber any Malezia, hany ka omby fiaramanidina anankivalo indray miditra! Eo amin’ny 700 metatra eo ho eo ny halavany ary 300 ny sakany.