2025
Fatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra
Mey 2025


“Fatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra,” Namana, mey 2025, 02–03.

Hafatry ny fihaonambe avy amin’ny Mpaminany

Fatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra

Nampifanarahana avy amin’ny “Fatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra,” Namana, mey 2025, 127–29.

Rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana isika dia afaka manana fatokian-tena avy amin’ny Fanahy Masina. Afaka matoky tena isika fa maheno antsika sy tia antsika mihoatra lavitra noho izay azontsika takarina ny Ray any An-danitra. Afaka matoky tena isika fa te hanampy antsika hahatratra ilay hery anaty ambony indrindra ananantsika Izy. Ny fiantrana sy ny hatsaram-panahy dia manokatra ny lalana mba hananana fatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra!

Ny fiantrana ny olon-drehetra no mariky ny mpampihavana! Aoka isika hivavaka amin’ny Ray any An-danitra mba hamenoany ny fontsika amin’ny fiantrana.

Mahatonga ny zavatra rehetra ho tsaratsara kokoa sy ho falifaly kokoa ny hatsaram-panahy! Raha toa ianao ka manana eritreritra maloto, na ny eritreritra feno haratsiana, na ny eritreritra mahakivy, dia hoesorin’ny hatsaram-panahy ireo eritreritra ireo.

Tokony ho feno hatsaram-panahy sy feno ny fitiavana madion’i Kristy ho an’ny olon-drehetra ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny asantsika. Manasa anao aho mba hitombo ao anatin’ny fatokian-tenanao eo anatrehan’ny Tompo.

Alalino izany

Ataovy sary na soraty ny valinteninao amin’ireto fanontaniana ireto mikasika ny hafatry ny Filoha Nelson.

  1. Ahoana no ahafahanao maneho fitiavana sy fiantrana ny hafa?

  2. Inona no zavatra tsara azonao eritreretina raha toa ka tonga ao an-tsainao ny eritreritra maloto, na feno haratsiana na mahakivy iray?

Inona no soratra masina nampiasain’ny Filoha Nelson mba hampianarana momba ny fiantrana sy ny hatsaram-panahy? (Torohevitra: Azonao ampiasaina ny soratra masinao mba hitadiavana izany!)

  1. Hebreo 11:1

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45

  3. Môrônia 10:5

  4. Amosa 3:7