2025
Ho an’ny ankizy lehibe
Mey 2025


“Ho an’ny ankizy lehibe”, Namana, mey 2025, 34–35.

Ho an’ny ankizy lehibe

Teny avy aminao

Mazàna aho no somary matahotra kely rehefa mandeha matory. Rehefa mivavaka aho dia mahatsapa fiadanana sy resin-tory haingana kokoa.

Vance R., 9 taona, Utah, Etazonia

Very ny boky fianarako dia nivavavaka tamin’ny Ray any An-danitra aho mba hanampy ahy. Hitako niafina tao ambanin’ny akanjoko teo anoloako ilay izy. Nanampy ahy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny vavaka izany.

Minh P., age 11, Faritr’i Hanoi, Vietnama

Ilay mpiandry Tsara

Ianaro ny fomba fanaovana sarina mpiandry ondry sy ny ondriny. Ahoana no hanampian’i Jesoa Kristy antsika rehefa mahatsapa ho toy ny ondry very isika?

Mitsangana eo amin’ny toerana masina

Tian’i Jesoa Kristy isika “hitsangana eo amin’ny toerana masina“ (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32). Afaka mahatsapa ny Fanahy ao amin’ireo toerana masina isika. Araho ny lalan’ny ankizy tsirairay mba hahitana inona no toerana masina halehany.

Hazavana kely

Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24). Ataovy anaty faribolana ny zavatra isaky ny laharana izay tsy eo no tokony hisy azy.