“Mianatra avy amin’ny fihaonambe” Namana, mey 2025, 1.
Mianatra avy amin’ny fihaonambe
Mitodika any amin’ny tempoly
Araho ilay lala-mifampidipiditra mba ho tonga eny amin’ilay tempoly. Inona no andrandrainao amin’ny fankanesana any amin’ny tempoly indray andro any?
Mihaino ny fihaonambe
Mandritra ny fihaonambe izaho sy ny fianakaviako dia manisy soratra amin’ny lovia misy vatomamy tahaka ny hoe finoana, tempoly ary vavaka. Rehefa maheno ny iray amin’ireo teny ireo izahay dia afaka maka vatomamy avy ao amin’izay lovia misy ilay teny. Ireo teny ireo dia manampy ahy hieritreritra an’i Jesoa sy hihaino ireo lahateny.
Jane C., 6 taona, Quebec, Kanadà
Tiako ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany satria afaka mahatsapa ny Fanahy Masina ary mianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ireo lahateny .
Tomas P., 8 taona, Buenos Aires, Argentine
Manatòna an’i Kristy
Nampianatra ny Loholona Gary E. Stevenson fa ny tandindon’ny Fiangonana dia mampahatsiahy antsika fa i Kristy no ivon’ny Fiangonantsika ary tokony ho ivon’ny fiainantsika ihany koa.
Manaova tsipika iray hampifandraisana ilay famaritana amin’ny ampahany tsirairay amin’ilay tandindona.
-
Ny vato fehizoro no vato manan-danja indrindra eo amin’ny fototra iorenan’ny trano iray. Ao anaty vato fehizoro ny anaran’ny Fiangonana mba hampahatsiahivana antsika fa i Jesoa Kristy no Vato fehizoro indrindra.
-
Ireo tanan’ny Mpamonjy izay mihinjitra dia maneho ny fampanantenany fa handray ireo rehetra izay hanatona Azy Izy.
-
Ilay andohalambo eo ambonin’i Jesoa Kristy dia maneho Azy rehefa nivoaka ny fasana ka nitsangana tamin’ny maty. Velona Izy, ary manaraka Azy isika!