2025
Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe
Mey 2025


“Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe,” Namana, mey 2025, 4–5.

Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe

Dallin H. Oaks

Fanampiana avy any an-danitra

Niresaka momba ireo zavatra omen’ny Ray any An-danitra antsika ny Filoha Oaks mba hanampiana antsika hisafidy ny tsara. I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no fanampiana mahery indrindra azontsika raisina. Noho Izy dia afaka ny ho voavela heloka sy ho velona indray isika aorian’ny fahafatesantsika. Ny Ray any An-danitra ihany koa dia manome antsika didy sy ôrdônansy ary fanekempihavanana ary ny Fanahy Masina mba hanampy sy hitarika antsika.

Ataovy sary ny fomba iray anampian’ny Ray any An-danitra anao!

Henry B. Eyring

Akaiky ny Mpamonjy

Nilaza ny Filoha Eyring fa fony izy mbola kely dia natao tamin’ny hariva ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Indray alina maizina sy mangatsiaka dia nahatsapa fahazavana sy hafanana tao amin’ny trano fiangonana izy rehefa nandray ny fanasan’ny Tompo. Rehefa nihira ny teny hoe “Seigneur, reste avec moi, ce soir!,” izy ireo dia nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fanakaikezany azy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy.

Ataovy sary ny fomba iray ahafahanao manakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Amy A. Wright

Minoa, miombona, tonga tahaka

Nizara ny fomba ahafahantsika ho tonga mpanara-dia an’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainantsika ny Rahavavy Wright. Afaka mino Azy isika amin’ny alalan’ny fianarana momba Azy sy ny fahatsapana ny Fanahy Masina. Afaka miombona amin’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany isika amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana. Ary afaka ny ho tonga tahaka Azy isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehony.

Patrick Kearon

Fanomezana miavaka

Niresaka momba ny fomba fanao maneran-tany amin’ny fanolorana fanomezana ny Loholona Kearon. Manolotra ireo fanomezana izay omentsika sy raisintsika isika. Na ny penguins aza dia mifanolotra vatokely mamiratra ho fanomezana! Ny fanomezana iray manan-danja avy amin’ny Ray any An-danitra dia ny fahafantarana fa tena zanakavaviny maminy sy zanakalahiny sarobidy isika. Rehefa tena mandray izany fanomezana izany isika dia afaka mahafantatra hoe iza isika ary hatraiza ny tena fitiavany antsika.

Benjamin M. Z. Tai

Lanitra feno kintana

Nilasy an-kalamanjana ny Loholona Tai sy ny fianakaviany indray mandeha. Nanontany ny zanany hoe nahoana izy ireo no tsy nahita kintana tany an-trano. Nanazava izy fa nahatonga ny fahitana kintana ho sarotra ny fandotoana. Afaka manakorontana ny fahitantsika ara-panahy ireo zavatra manelingelina sy fakam-panahy. Saingy afaka mahafantatra isika fa eo foana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny finoana.

  • “Demeure auprès de moi, Seigneur,” Cantiques, no. 93.