“Ilay sakafo am-bifotsy mifono mistery”, Namana, mey 2025, 18–20.
Ilay sakafo am-bifotsy mifono mistery
“Moa ve petahantsika anarana toy izany ny olona?” hoy i Dada.
Tantara marina avy any Etazonia.
“Inona ity ry Neny?” Naka sakafo am-bifotsy lehibe iray avy tao ambadiky ny fitoeran-tsakao i Sadie. “Tsy misy anarana eo amin’ilay izy.”
“Hadinoko ny momba izany”, hoy i Neny. “Niendaka ny anarana teo amin’ny sakafo am-bifotsy sasany ka dia namidin’ilay tranombarotra mora izany. Nividy iray aho. Naminany fotsiny aho hoe mety ho pitipoà am-bifotsy angamba io.”
Nanao tarehy ratsy naneho rikoriko i Sadie. Tsy mba sakafo tiany indrindra ny pitipoa am-bifotsy.
Nalain’i Neny ilay sakafo am-bifotsy dia nahohony hahitana ny daty farany hahazoana mihinana izany. “Tsy azo hanina intsony ity atsy ho atsy. Tsara raha hanintsika anio ity.” Napetrany teo ambonin’ny latabatra ilay sakafo am-bifotsy.
“Inona koa io?” Hoy i Jason, zokilahin’i Sadie nanontany.
“Iza no mahalala?” Hoy i Sadie. “Pitipoà io raha ny hevitr’i Neny.”
Nahontsakontsan’i Jason ilay sakafo am-bifotsy. “Tsy pitipoà izany raha ny fihainoko azy. Tsaramaso io angamba hoy aho.”
Nanome hevitra an’i Sadie izany. Naka scotch sy marqueur izy dia nosoratany hoe “pitipoà” teo amin’ny sombin-taratasy iray ary “tsaramaso” teo amin’ny iray hafa. Naraikiny teo amin’ilay sakafo am-bifotsy ireo.
Avy eo dia nieritreritra kely izy ary nanoratra hoe “lasôsy voatabia” teo amin’ny anankiray hafa.
Tamin’izay indrindra no niditra tao an-dakozia i Dada. “Fa misy inona?”
“Manao kilalao izahay”, hoy i Neny. “Fantaro hoe inona no ao anatin’io vifotsy io.”
Noraisin’i Dada ilay sakafo am-bifotsy, nahontsany mafy, dia nofofoniny. “Olatra!” hoy izy.
Nimonomonona ny rehetra. “Tsy olatra kosa e!” Hoy i Sadie. Ratsy lavitra noho ny pitipoà sy tsaramaso ary ny lasôsy voatabia izany. “Tokony hariantsika any angamba io sakafo am-bifotsy io.”
“Angaha tsy mba mahialana anao ny hahafantatra izay tena ao anatin’izy io?” hoy i Neny nanontany.
Naka fanokafana i Dada. “Mahaliana ahy mihitsy ka!”
Rehefa nanokatra ilay sakafo am-bifotsy i Dada dia notakoman’i Sadie ny masony. Saingy rehefa nosintoniny ny saron’ilay izy dia gaga izy. Feno voankazo natsiro tao anatin’ilay vifotsy.
“Miam-miam!” hoy izy raha nitetika ny poara, ny voaloboka, ny serizy ary ny paiso.
Nitondra vilia baolina sy sotro i Jason. “Andao hihinana!”
Nandoatra voankazo avy tao amin’ilay vifotsy nankao amin’ny vilia baolina i Sadie. “Tsy mino mihitsy aho hoe diso daholo isika rehetra”, hoy izy. “Azoko antoka hoe nisy zavatra ratsy tsiro tao anatiny.”
“Moa ve petahantsika anarana toy izany ny olona?” hoy i Neny nanontany.
“Inona no tianao holazaina?” Hoy i Sadie nanontany.
Napetrak’i Dada teo ambonin’ny latabatra ny vilia baoliny. “Isika no mana-pakevitra ny amin’izay mety ho ao anatiny kanefa ny hany hitantsika dia ny ety ivelany.”
Nieritreritra momba izany i Sadie. “Fony i Samara mpianatra vaovao dia noheveriko hoe tsy sariaka. Saingy fantatro avy eo fa tsy mahay tsara ilay fiteny izy. Amin’izao izahay dia miara-milalao foana!”
“Ohatra tsara izany”, hoy i Neny.
“Mahatsapa tena ho voapetaka anarana aho indraindray”, hoy i Jason niteny mora. “Lazain’ny ankizy any am-pianarana fa tsara ny naotiko satria tian’ilay mpampianatra fotsiny aho. Kanefa ny marina dia mianatra mafy aho ary manao ny enti-modiko rehetra.”
“Maharary ny ametrahana anarana e? Sa tsy izany?” hoy i Dada.
Nanaiky tamin’ny lohany i Jason.
Lanin’i Sadie ny sotro farany tamin’ny voankazony. “Fa ratsy daholo ve ny anarana apetraka rehetra? Rehefa any an-tsena dia mila fantatrao marina ny zavatra vidianao.”
“Marina ny anao”, hoy i Dada. “Rahoviana ary izany no tsara ny anarana apetraka?”
Natsangan’i Jason ny sotrony. “Rehefa marina!”
“Dia iza no tena mahafantatra ny tena ao anatin’ny olona iray?” hoy i Neny nanontany.
“Ny Ray any An-danitra”, hoy i Sadie sy i Jason niara-niteny.
“Azoko!” Hoy i Sadie. “Zanaky ny Ray aho. Izany no anarana marina ho ahy.”
“Izaho koa”, hoy i Jason.
“Izaho koa!” hoy i Dada.
“Ho an’ny olon-drehetra.” Nitsiky i Neny. “Noho izany ny olona dia tsy tokony petahantsika anarana miainga avy amin’ny zavatra hitantsika ivelany na mino ireo anarana apetaka diso omena antsika. Satria Andriamanitra irery no mahafantatra izay tena ao anatintsika.”
Nanoratra teo amin’ny sombina scotch kely vaovao i Sadia dia naraikiny teo amin’ny akanjo bàny. “Zanak’ Andriamanitra”, hoy izy. Nitsiky i Sadie. Tiany mihoatra ny rehetra io anarana apetraka io.