2025
Tonga soa ry namana!
Mey 2025


“Tonga soa ry namana!” Namana, mey 2025, 1.

Tonga soa ry namana!

Pejy amin’ny endrika PDF

Mampianatra ahy ny fomba anarahana an’i Jesoa Kristy ny mpaminany. Avadiho ny pejy mba hamakiana ny zavatra nampianarin’ny mpaminany nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Afaka mitarika antsika koa ny Fanahy Masina. Vakio ao amin’ny pejy 8 ny fomba nahatsapan’i Marcie ny Fanahy Masina nandritra ny fotoana nitondrany bisikileta. Nanampy an’i Nyamedo ny Fanahy Masina mba hanao safidy tsara nandritra ny fitsangantsanganana iray nataon’ny sekoly (pejy 40). Raha mihaino ny Fanahy Masina ianao dia afaka mahatsapa hafatra izay mampionona sy mitarika ary mampianatra anao.

Tsarovy lalandava fa eo ny mpaminany sy ny Fanahy Masina ary ireo hafa izay tia anao mba hanampy anao!

Amim-pitiavana,

Namana

Fanamarihana: Lazao anay ny fotoana iray nihainoanao ny mpaminany na nanarahanao ny Fanahy Masina.