“Margo sy Paolo”, Namana, mey 2025, 33.
Margosy Paolo
Ilay feo tony sy malefaka
Ah, hay ianareo roa miara-mipetrametraka eo amin’ny toerana mangingina. Inona no eritreretinareo androany?
Ny Fanahy Masina.
Milaza ny olona fa miresaka amin’izy ireo amin’ny feo malefaka Izy. Saingy tsy mbola nandre Azy mihitsy aho! Ary ianao?
Tsy amin’ny sofiko. Saingy tsapako ao am-poko Izy
Inona no tianao holazaina?
Eny ary, mazàna ny Fanahy Masina no miresaka amintsika amin’ny alalan’ny eritreritra sy ny fahatsapana.
Rehefa nahatsapa aho fa tsy tokony handeha ho any jiu jitsu ny alahady, moa ve ny Fanahy Masina izany?
Raha ny hevitro dia eny. Manampy antsika hanao safidy tsara sy hahatsapa fiadanana ny Fanahy Masina.
Tena miresaka amiko angamba Izy! Mila mihaino fotsiny aho.