“Karatra momba ny tempoly”, Namana, mey 2025, 16.
Karatra momba ny tempoly
Tempolin’i Tokyo Japon
-
Notokanana tamin’ny 1980 izy io ary izy io no tempoly voalohany tany Azia!
-
Misy sora-damba japôney nentim-paharazana eo amin’ny ravin-damba sy ny fitaratra ao anatiny ao.
-
Naminany ny Apôstôly iray tamin’ny 1949 fa hisy tempoly maro haorina ao Japon. Manana tempoly ananky efatra i Japon ankehitriny!
Tempolin’i Phnom Penh, Cambodge
-
Io no ho tempoly voalohany ao Cambodge!
-
Misy mpikamban’ny Fiangonana mihoatra ny 16.000 ao Cambodge.
-
Nandritra ny fitsidihan’ny Filoha Nelson voalohany an’i Cambodge dia nizara ny sarin’ny mety ho endrik’io tempoly io izy.
Tempolin’i Copenhagen Danemark
-
Tamin’ny voalohany dia trano fiangonana no nanorenana azy avy eo dia navadika ho tempoly izany 73 taona taty aoriana.
-
Ny varavarambe sy ny biriky mena tamin’ilay trano fiangonana voalohany no eo amin’ny tempoly.
-
Misy tilikambo iray misy ny anjely Môrônia eo an-tampony eo akaikin’ny tempoly.