“Araho ireo teny mifono hafaliana”, Namana, mey 2025, 44–45.
Boky ho an’ny ankizy mianatra mamaky teny
Araho ireo teny mifono hafaliana
Tantara marina avy any Etazonia.
“Afaka manao sary amin’ny tsaoka ve isika?” Hoy i Quinn nanontany an’i Neny.
“Afaka tsara mihitsy!” Hoy i Neny. “Andao ary.”
Nihazakazaka nivoaka tany ivelany i Quinn sy ny zandriny lahy ary ny anabaviny.
“Manga no ilaiko!” hoy i Quinn niteny mafy.
Naka tsaoka koa i Kade sy i Chloe. Nipetraka izy ireo ary nanomboka nanao sary teo amin’ny sisin-dalana. Naka tsaoka niloko mena i Neny ka nanomboka nanoratra.
“Inona no ataonao?” hoy i Quinn nanontany.
“Manoratra teny mifono fifaliana ho an’ireo mpianatra rehefa handeha hody anio aho”, hoy i Neny.
Tazan’i Quinn avy eo am-baravarankeliny ny sekoly. Tiany ny nanofahofahofa tanana ny ankizy rehefa mandalo ry zareo.
“Inona avy ireo hafatra azontsika soratana mba hampitsiky azy ireo?“ hoy i Neny nanontany.
Namaky teny avy teny an-tsorok’i Neny i Quinn. “Ianao dia . .”
“Mahafinaritra!” Hoy ny namaranan’i Neny azy.
Nitsiky i Quinn ary nanohy namaky teny. “Mahatalanjona ianao. Vitanao io!”
Avy eo dia nanan-kevitra i Quinn. Nanomboka nanao sarina tsipika lava be izy teo amin’ny iray amin’ireo hafatr’i Neny. Nanao sarina tsipika nankeo amin’ilay iray manaraka izy. Avy eo izy dia nihodina nankany amin’ny iray hafa.
“Inona ity ataonao?” Hoy i Neny nanontany.
“Manao tsipika handehanan’ny ankizy aho”, hoy i Quinn. Nanomboka nihazakazaka teo amin’ilay tsipika izy. “Hitanao? Asehoko azy ireo ny toerana hahitana ireo teny mifono fifaliana rehetra. “
“Heveriko fa fomba tsara hampitsikina ny olon-drehetra izany”, hoy i Neny. Koa vao mainka nahatonga an’ i Quinn hitsiky be kokoa izany.