2025
Manara-dia an’i Jesoa any Malezia
Mey 2025


“Manara-dia an’i Jesoa any Malezia”, Namana, mey 2025, 14–15.

Manara-dia an’i Jesoa any Malezia

Fantaro i Luke

Ankizilahy mitaingina scooter

Manara-dia an’i Jesoa Kristy i Luke amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fankaherezana ny hafa. Tiany ny miara-mivavaka amin’ny fianakaviany. Indray mandeha dia sarotra taminy ny nanao fitsapam-pahaizana momba ny tsipelin’ny fiteny Sinoa. Rehefa nanao fanazaran-tena sy nivavaka izy mba hahazoana fanampiana dia vitany ilay izy.

Ankizilahy manondraka zava-maniry

Tiany ihany koa ny mandeha any amin’ny Kilonga ary mianatra momba ny zavatra nampianarin’i Jesoa Kristy. Hoy izy hoe: “Mahafaly be ahy ny manara-dia an’i Jesoa.” Tiany ny manompo ny reniny amin’ny alalan’ny fanampiana amin’ny raharaha sy amin’ny alalan’ny fikarakarana ny zandriny lahy rehefa milalao any ivelany izy ireo. Hoy izy hoe: “Rehefa manampy ny hafa aho dia mahatsapa hafanana aho ao am-poko.”

Ankizilahy mivavaka

Mombamomba an’i Luke

Ankizilahy iray miaraka amin’ny ray aman-dreny sy zandry mpiray tam-po roa

Taona:7

Fiaviana: Kuala Lumpur, Malezia

Fiteny: Anglisy, Sinoa ary Malay

Tanjona: 1) Mahavita fianarana. 2) Hiaraka amin’ny fianakaviany mandrakizay.

Fialamboly: Mampianatra sy manampy ny hafa, mitaingina scooter sy mamaky boky

Fianakaviana:Neny, Dada, zandrilahy iray sy zandrivavy iray.

Ireo zavatra tiany indrindra

Ankizilahy mamaky soratra masina miaraka amin’i dada

Tantara ao amin’ny soratra masina: Rehefa teraka tao an-tranon’omby i Jesoa (jereo ny Lioka 2:7)

Voankazo sy legioma: Voasary mandarina sy karaoty

Sakafo: Nasi lemak (vary nandrahoana tamin’ny ranom-boanio)

Fotoam-pankalazana: Krismasy

Loko: Mena

Hiran’ny Kilonga: “Ilay hiran’ny fahaterahana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 32)

Pejy amin’ny endrika PDF