“Nanavotra ny soratra masina i Mary sy i Caroline”, Namana, mey 2025, 26–28.
Tantara ao amin’ny soratra masina
Nanavotra ny soratra masina i Mary sy i Caroline
Roambinifolo taona i Mary Rollins tamin’izy nianatra voalohany momba ny Bokin’i Môrmôna. Nindrana tahadika iray izy ary niari-tory namaky tamin’ny ankamaroan’ny alina.
Nampientanentana an’i Mary ihany koa ny hamaky boky vaovao iray nantsoina hoe Bokin’ireo Didy. Hisy ny maro amin’ireo fampianarana nomen’i Jesoa Kristy an’i Joseph Smith izany.
Saingy tsy tia ny Fiangonana ny olona sasany. Indray andro dia nisy lehilahy maro niditra an-keriny tao amin’ilay trano izay nanontana ny Bokin’ireo Didy. Natsipin’izy ireo teo amin’ny varavarankely ilay fanontana printy ary naelin’izy ireo teo amin’ny lalana ireo pejy.
Niafina sy nijery i Maria sy i Caroline zandriny vavy. Naniry ny hamonjy ireo pejy i Maria nialoha ny haharotika izany. Natahotra i Caroline, saingy fantatr’izy ireo fa nirakitra ny tenin’ Andriamanitra ireo pejy ireo.
Nihazakazaka teny an-dalana ireo mpirahavavy sady nandroaka pejy maro araka izay tratrany. Nisy lehilahy sasantsasany nahita azy ireo ary nivazavaza niteny azy ireo mba hijanona. Nofihinin’i Mary sy i Caroline mafy ireo pejy ka nihazakazaka niditra tao amin’ny sahan-katsaka iray teo akaiky teo izy ireo.
Nisy lehilahy roa nanenjika azy ireo. Nidina nihohoka tamin’ny tany i Mary sy i Caroline ary nanafina ireo pejy tao ambanin’ny vatan’izy ireo. Namitsaka nihaino izy ireo raha teo am-pikarohana azy ireo ireo lehilahy.
Vetivety dia niala maina ireo lehilahy. Nieren-doza i Mary sy Caroline! Nanavotra ireo pejy izy ireo. Ankehitriny ireo fampianarana ireo dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.