“Mizara hafaliana” Namana, mey 2025, 30–31.
Mpamaky lay tany amin’ny tany rehetra
Mizara hafaliana
“Hira any am-piangonanay izany”, hoy i Ángel.
Tantara marina avy any Arzantina.
Niakatra tao amin’ilay sarety ho eo akaikin’i Papá i Ángel. Nifandona moramora ireo tavoahangin-dronono tao aoriana rehefa nihazakazaka nandroso ny soavalin’izy ireo. Nibaliaka ny masoandro ary nampahatsiahy azy ny hira tiany indrindra izany.
“Tian’i Jesoa mba hazava aho”, hoy i Ángel nihira.
Volana vitsivitsy lasa izay no nanaovana batisa an’i Ángel. Natao batisa koa i Mamá sy i Oscar zandriny lahy. Tsy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana i Papá, saingy faly tamin’izy ireo izy. Mbola tsaroan’i Ángel ny zavatra tsapany rehefa nivoaka avy tao anaty rano izy. Toy ireny hafanan’ny tara-masoandro mipaka amin’ny lamosiny ireny ilay izy saingy tsapany ao anatiny.
Nanohy nihira irery i Ángel rehefa najaon’i Papá teo ivelan’ny tranon-dry Señora Perez ny sarety. Nitsambikina nidina i Ángel ary naka tavoahangin-dronono avy tao aoriana. Iray tamin’ireo mpanjifa an’ny fianakaviany i Señora Perez.
“Ronono o!” hoy izy.
Niasa tao an-jaridainany i Señora Perez. “Misaotra”, hoy izy, naka ilay tavoahangy. Nanolotra azy vola vy vitsivitsy izy. “Inona ilay hira nohirainao teo?”
Boramena ny tarehin’i Ángel. Tsy tonga saina izy fa henony ilay izy nihira!
“Hira any am-piangonanay izany”, hoy i Ángel. “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.”
Nitsiky i Señora Perez. “Ahoana moa raha mba itantaranao zavatra momba ny fiangonanareo aho e?”
Tsy nahazo antoka ny amin’izay holazaina aloha i Ángel. Dia hoy izy avy eo: “Mino izahay fa eto an-tany indray ilay fiangonana naorin’i Jesoa Kristy fony Izy niaina teto an-tany.”
“Mahaliana izy izany”, hoy i Señora Perez. “Tsy mbola naheno fiangonana iray izay mino izany mihitsy aho.”
“Tokony hankany angamba ianao indray andro any” hoy i Ángel. “Mirary tontolo andro mahafinaritra!” Dia nihazakazaka niverina tany amin’i Papá izy avy eo mba hanampy amin’ny fanaterana ny ronono ambiny sisa.
Indray alahady vao maraina be dia nifoha i Ángel. Henony i Mamá ao an-dakozia mikarakara sakafo maraina.
“Oscar,” hoy i Ángel, “fotoana hiomanana handeha hivavaka izao!”
Nanao ny akanjon’izy ireo fitondra alahady i Ángel sy i Oscar ka niomana ny handeha. Efa ho roa kilaometatra avy eo ny trano fiangonana. Dia an-tongotra lava be vao tonga any ka voatery miainga aloha izy ireo.
“Mirary fotoana mahafinaritra” hoy i Papá rehefa lasa izy ireo.
Rehefa nandeha izy ireo dia nohirain’i Ángel indray ilay hira tiany indrindra. Nihirahirahira izy rehefa nandalo ireo trano nanaterany ronono. Nihirahirahira izy rehefa nandalo ireo fivarotam-boankazo teny an-tseny. Dia nihirahirahira izy rehefa nivily nankeo amin’ilay arabe nisy ny trano fiangonana.
Rehefa niditra tao anatiny izy ireo dia Taitra i Ángel. Tao i Señora Perez! Nentiny niaraka taminy ny fianakaviany iray manontolo.
“Nankaty am-piangonana ianao!” Hoy i Ángel.
Nanaiky tamin’ny lohany i Señora Perez. “Nitaona fanahy ahy ny hiranao”, hoy izy. “Niantso ny reninao aho mba hahazo ny adiresy. Te ho tonga aho mba hianatra ho ahy manokana momba ity fiangonana ity.”
Nitsiky i Ángel. Nizara ny filazantsara taminy izy tamin’ny alalan’ny fihirana hira iray fotsiny. Nanantena ny afaka hahatsapa hafaliana ao am-pony koa i Señora Perez anio.