“Aza manaraka an’io alika io!” Namana, mey 2025, 8–9.
Aza manaraka an’io alika io!
Avy amin’ny Fanahy Masina ve izany fahatsapana izany?
Tantara marina avy any Etazonia.
“Andao ary e!” hoy i Lauren niantso mafy raha izy nihoatra ny lalana teo amin’ny tanàna nisy azy.
Napetak’i Marcie ny fiarovan-dohany. “Tamy aho!”
Novoizin’i Marcie nidina ny sisin-dalana nankeny amin’ny namany ny biskiletany. Tiany ny miara-milalao ny karazana kilalao rehetra miaraka amin’i Lauren sy i Cassidy. Saingy ny tena tiany indrindra dia ny mitaingina ny biskiletany miaraka amin’izy ireo.
Rehefa namoy ny biskiletan’izy ireo hidina ny sisin-dalana ireto ankizivavy dia nanomboka nanaraka azy ireo i Rocket, ilay alikan’ny mpifanila trano.
“Andrekaky o”, hoy i Cassidy. “Mila aterintsika mody izy!”
Saingy tsy nety nandeha nody ilay alika. Nantsoantsoin’izy ireo hijanona i Rocket fa lasa ihany. Na inona na inona nataon’izy ireo dia nihazakazaka tetsy sy teroa izy sady mipelipeli-drambo. Faly ery izy.
Rehefa nanaraka an’i Rocket ireto ankizivavy dia tsikaritr’i Marcie fa miha-tsy mahazatra hatrany ireo trano. Niha-nanalavitra hatrany ny lalana teo amin’ny tanànany izy. Tsy misy fantatr’i Marcie ny olona mipetraka ao amin’ireo trano ireo!
Handeha ho aiza isika izany? Nieritreritra i Marcie. Mba ho hitako ve ny lalana miverina?
Niezaka ny tsy hitaintaina i Marcie ka nanohy nivoy ny biskiletany. Saingy niverina ilay fahatsapana. Nisy zavatra nilaza taminy fa tokony hody izy.
Najanon’i Marcie teo amin’ny sisin-dalana ny biskiletany. Hoy izy tamin’ny feo mafy: “Tokony hiverina angamba isika izao!”
“Mila entitsika mody i Rocket!” hoy i Cassidy. Nanohy nivoy ny bisikiletan’izy ireo nanenjika ilay alika izy sy i Lauren.
Mbola nahatsapa hafahafa i Marcie. Nahoana izy no nahatsapa ho natahotra mafy? Nahatsapa izany koa ve ireo namany?
Mety izaho irery angamba no mahatsapa izany, hoy i Marcie nieritreritra. Avy amin’ny Fanahy Masina ve izany? Natao batisa sy noraisina ho mpikambana volana vitsivitsy lasa izay izy ary nampianatra azy momba ny fihainoana ny Fanahy Masina i Dada sy i Neny. Nilaza izy ireo fa hiresaka aminy amin’ny alalan’ny fahatsapana ao am-pony na ao an-tsainy Izy. Fantany fa hitarika azy Izy raha toa ka mihaino izy.
Tsapany indray ilay fahatsapana. Tamin’io fotoana io dia mafy kokoa ilay izy. Aza manaraka an’io alika io.
“Hiverina aho”, hoy i Marcie niantso ireo namany.
“Eny ary!” Hoy i Lauren.
Nihodina i Marcie dia niverina tamin’ilay lalana niaviany. Nony tonga tany an-trano izy dia navelany teo amin’ny bozaka teo an-tokotany ny bisikiletany dia lasa izy niditra. Sahirana tao an-dakozia i Neny.
“Manahoana i Neny”, hoy i Marcie. “Nandeha nody aho. Nahatsapa ho nitaintaina aho tao anatiko.”
Niato i Neny. “Inona no nitranga?”
“Nahatsapa fahatsapana fampitandremana aho tamin’izaho nitaingina bisikileta niaraka tamin’ireo namako. Noho izany dia nody aho”, hoy i Marcie. “Heveriko fa ny Fanahy Masina izany.
Nofihinin’i Neny izy. “Faly aho fa nihaino ilay fahatsapana ianao.”
Nahatsapa zavatra tsara tao anatiny i Marcie. “Izaho koa.”